Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ilay fenitra ambony indrindra

Daty
Alakamisy 21 May 2026

 «Fa tsy ny mpandre ny lalàna no marina eo anatrehan 'Andriamanitra, fa ny mpankatò ny lalàna no hohamarinina.» - Rôm. 2:13.

Mofon’aina:
Maro amin' ireo olona voasoratra ao amin'ny bokim-piangonana ny anarany no tsy misy fiovana marina ny fiainany. Tavela any ivelany ny fahamarinana. Tsy misy ny fiovam-po marina, tsy misy vokany ny asan'ny fahasoavana ao am-po. (...)

Tokony hitolo-batana tanteraka eo am-pelatanan'i Kristy sy hanokan-tena ho Azy izay te hanana toetra matanjaka sy mirindra tsara, satria tsy eken'ny Mpanavotra ny hananantsika fo mizarazara. Hianarany isan'andro ny atao hoe mandà tena. Hianarany ny Soratra Masina, hanakarany ny heviny sy hankatoavany ny fitsipiny; amin’izany no hahatrarany ny fahatanterahana kristianina. (...) Hiara-miasa aminy isan'andro Andriamanitra mba hanamboatra ny toetrany ho tanteraka, ka ho tafajoro izy amin'ny fizahan-toetra farany. (...) Vavolombelona eo anatrehan'ny olona sy ny anjely ny fiainany isan'andro, manambara izay azon'ny filazantsara atao ho an'ny olombelona lavo.

Aoka isika hikely aina, hitozo amim-pahamatorana amin'ny asa fanavaozana izay tsy maintsy atao eo amin'ny fiainantsika. Andeha hohomboantsika ny "izaho". Hiezaka fatratra hifehy antsika ireo fahazarana tsy masina, nefa afaka mandresy izany isika amin'ny anaran'i Jesôsy sy ny heriny. Ho an' izay miambina tsara ny fony araka izay azony atao ny teny fikasana hoe: "Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin 'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin 'ny fitiavan 'Andriamanitra izay ao amin Kristy Jesôsy Tompontsika." — Rôm. 8:38,39. Andriamanitra mihitsy no "hanamarina izay manana finoana an’iJesôsy" — Rôm. 3:26, "ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa." —Rôm. 8:30.

Na lehibe toy inona aza ny henatra sy ny fitotonganana vokatry ny fahotana, dia ho lehibe lavitra ny voninahitra sy ny fisandratana avy amin'ny fitiavan'Andriamanitra manavotra. Omena haren-tsarobidy avy any an-danitra ny olona izay miezaka hanana fiainana araka ny endrik'Andriamanitra, dia hery lehibe hametraka azy ho ambonin'ireo anjely tsy mbola lavo mihitsy aza. — RH, 7 Jolay 1904

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.
Sun 26 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ny fahalalana sy ny fitiavana.
Mon 27 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ftiavana tsy mitady ny azy.
Tue 28 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Mandray lesona avy amin’ny lasa.
Wed 29 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampitandremana momba ny fanompoantsampy.
Thu 30 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Afaka amin’ny fanompoan-tsampy.
Fri 31 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fianarana fanampiny.
Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal