Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mizaha toetra ny fahatokiana Andriamanitra

Daty
Sabotsy 23 May 2026

 «Ary Jehôvah kosa efa nampiteny anao androany fa firenena rakitra soa ho Azy ianao, araka izay nolazainy taminao, mba hitandremanao ny didiny rehetra.» - Deo. 26:18.

Mofon’aina:
Ampandalovin' Andriamanitra fitsapana isika, ary raha mahajoro tsara araka izay antenainy, dia ho rakitra soa ho Azy. Manoritra tsipika manasaraka antsika amin'izao tontolo izao ny Sabata, tsy amin'ny fomba manjavozavo fa amin'ny loko miharihary mazava. Ho an' ireo izay nandray ny fahazavan'io fahamarinana io, ny Sabata dia fitsapana; tsy fitakiana avy amin'olombelona izany, fa fitsapana avy amin'Andriamanitra. Io no mampiavaka ny manompo an'Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy, ary io no lohahevitra hifanolanana indrindra amin'ilay ady lehibe farany eo amin'ny marina sy ny diso. Izay rehetra mitonona ho mpitandrina ny lalàn'Andriamanitra dia tokony hijoro sy hiray saina ny amin'ny fitandremana ny Sabatany masina. (...)

Rehefa nandalo ny tany Egypta ny anjely mpandringana mba hamely ny lahimatoan'ny olona sy ny biby, dia nomena toromarika ny Isiraelita hampiditra ny zanany hiaraka amin'izy ireo ao an-tranony, ary hanentina rà ny tolana sy ny tataom-baravarana, ka tsy nisy nahazo nivoaka ny trano, satria izay rehetra ho hita eny anivon'ny Egyptianina dia haringana miaraka aminy. 

Tokony handray lesona avy amin'izany isika. Mbola handalo hamakivaky ny tany indray ny anjely mpandringana. Hisy marika hapetraka eo amin'ny vahoakan'Andriamanitra, ary izany marika izany dia ny fitandremana ny Sabatany masina. Tsy ny sitrapontsika na ny fihevitsika manokana no tokony harahintsika ka hitompo teny fantatra isika fa hanaiky ny fepetrantsika Andriamanitra. (...) Hizaha toetra ny finoantsika Andriamanitra amin'ny fanomezany antsika anjara asa hatao mifandraika amin'ny fidirany an-tsehatra ho antsika. Ho tanteraka amin' ireo izay mankatò ny fepetra ny teny fikasany. (...)

Tokony hampianatra ny zanatsika ny didin'Andriamanitra amim-pahatokiana isika; aoka hahalefitra eo ambany fifehezana sy ny fahefan'ny ray aman-dreny izy ireo; avy eo, apetratsika eo an-tanan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny finoana sy ny vavaka, dia hiara-miasa amin'ny ezaka ataontsika Izy, satria efa nanome toky fa hanao izany. Ary rehefa mandalo hamely ny tany ny loza lehibe, dia ho voafina ao an-trano fialofan' ny Tompo izy ireo, miaraka amintsika. - Ms, 3, 1885. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal