Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Taratry ny any an-danitra

Daty
Alarobia 27 May 2026

 «Hoy Izy: Tandremo mba hataonao araka ny endrika izay naseho taminao tao an-tendrombohitra ny zavatra rehetra.» Heb. 8:5.

Mofon’aina:
Nanome lesona manan-danja ho an'ny vahoakany hatramin'izay ka hatramin'izao ny Tompo rehefa nanome toromarika an'i Mosesy teo an-tendrombohitra momba ny fanorenana ny tabernakely. Nitaky fahatanterahana hatramin'ny tsipiriany kely indrindra tamin'izany Izy.

Eo anivon'ny faharatsian' izao tontolo izao mihasahisahy, sy ny fampianaran-dratsy mihamahazo laka, dia tsy maintsy aseho mazava eo amin'ny fiainan'ireo lehilahy sy vehivavy niova fo ny fampianaran'i Kristy. (…)

Tokony hisaintsaina mandrakariva ny fiainana mandrakizay ny Kristianina amin'izay ataony rehetra. Na mikasika ny fambolena na fikirakirana milina ny asany, dia azony atao araka ny modely avy any an-danitra izany (...). Noho ny fahasoavan'i Kristy, ny zavatra rehetra dia natao hamolavolana fahatanterahan-toetra, tahaka ny an'i Kristy, ary omem-boninahitra Andriamanitra rehefa maneho ny foto-kevitry ny lanitra ny olony, na eo amin'ny fifandraisany amin'ny fiarahamonina na eo amin'ny fanaovany ny raharahany. (...)

Mitaky fahitsiana Andriamanitra, manomboka amin'ny zavatra bitika indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra. Ny lehilahy sy vehivavy, izay miezaka manatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra an-tsipiriany, sy manao izay ahitana taratra ny any an-danitra eo amin'ny asa rehetra ataony etY an-tany, no hekena hiditra any an-dapan'ny lanitra amin'ny farany. (...)

Nidina tety an-tany ny Zanak'Andriamanitra mba ho hitan'ny lehilahy sy vehivavy ao Aminy ny atao hoe fahatanterahan-toetra, izay hany azon'Andriamanitra ekena. Noho ny fahasoavan'i Kristy dia efa natao ny fomba rehetra mba hamonjena ny taranak'olombelona. Azon'ireo mitonona ho Kristianina atao tokoa ny ho madio amin'ny asany rehetra, tahaka ny asan'i Kristy. Sarobidy eo imason'Andriamanitra toy ny Zanany malalany ny fanahy izay manaiky hatsarain'i Kristy sy maka ho an'ny tenany ny fahamendrehan'ny fiainan'i Kristy. — RH, 11 Janoary 1912.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal