"Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; fa avy ao aminy no ihavian 'ny aina." - Ohab. 4:23
Mofon’aina:
Nahoana no maro ny olona tsy mahomby ara-panahy, manana toetra tsy mirindra? Satria rehefa nahalala ny fahamarinana izay ao amin'i Jesosy izy ireo dia tsy nanomboka nampihatra izany, ary tsy manao izany koa ankehitriny. Tsy avelany hanaisotra ny kileman-toetrany i Kristy. (...) Izay nandalo fiovam-po marina dia maneho fitsipi-piaina marina amin'izay ataony rehetra. Izay velona araka ny teny rehetra aloaky ny vavan'Andriamanitra ihany no miorina tsara amin'ny finoana.
Maro ireo maneho isan'andro fa tsy mihatra amin'ny toetrany ny fiovam-pony fa am-bava fotsiny ihany. (...) Mety hahazo ny satroboninahitry ny mpandresy ny rehetra amin'ny alalan'ny finoana, saingy marobe no tsy vonona hitolona mafy amin'ireo kileman-toetrany. Hazoniny ny toetra tsy ankasitrahan'Andriamanitra. (...) Raha mianatra ny lesona tsotra omena azy ny rehetra ka mitondra ny ziogan'i Kristy ary mianatra amin'ilay Mpampianatra lehibe mba ho tonga malemy fanahy sy manetry tena, dia ho tanterany ny fanekena nataony momba ny fitiavan'Andriamanitra ambonin'ny zavatra rehetra sy ny fitiavana ny namana tahaka ny tenany. (...) Tsy maintsy manomboka hatrany amin'ny voalohany izy ireo. Hoy i Kristy: "ento ny ziogako, dia ny ziogan'ny fifehezana sy ny fankatoavana, ary mianara Amiko (...)" Amin' izay dia ho vita fihavanana amin'Andriamanitra ny fo, amin'ny alalan'ny herin'i Kristy izay manavao. Ho tonga mpiombona amin'ny fomban'Andriamanitra izy ireo, olona voaova fo. (...)
Ao amin'ny fo no tsy maintsy anombohan'ny asa fanavaozana sy fanovana, satria ao no loharanon'ny fiainana. Ahoana àry no iheverana fa ampy izay ataon'ny molotra? (...) Mananatra anareo aho, noho ny amin'i Kristy, aza mij anona eo an-tsasa-dalana fa mandrosoa, mandrosoa hatrany mandra-pahatraranareo ny fahatanterahan-toetra kristianina. (...) Miambena fatratra, tsarovy fa tompon' andraikitra amin'ny fanehoana an'i Kristy araka ny tokony ho izy ianao. Aoka tsy hisy kilema hitarika ny hafa hanao fahotana mitovy amin'izay ataonao. (...)
Ireo izay milaza fa efa nahazo fahazavana ambony dia tsy maintsy mampiseho ny herin'izany fahazavana izany eo amin'ny teny ataony, ny fitondrantenany, ny feony, ny asany, amin'ny fotoana rehetra ary amin'ny toerana rehetra. - L 178, 1899.