"Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; Izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro; ary izahao na misy lalana rnampahory ato anatiko, dia tariho amin 'ny lalana mandrakizay aho." - Sal. 139:23,24.
Mofon’aina:
Vitsy no mahatsapa fa adidy ny mifehy ny eritreritra sy ny fisainana. Sarotra ny mihazona ny saina tsy voafehy hifantoka amin'ny zavatra mahasoa. Fa raha tsy ampiasaina araka ny tokony ho izy ny eritreritra, dia tsy hiroborobo ao amin'ny fanahy ny fivavahana. Aoka ny zava-masina sy mandrakizay no mameno ny saina, raha tsy izany dia zava-poana sy zava-tsy misy heviny no hankamamiany. (...)
Mba hahatakarana izany araka ny tokony ho izy, dia tsy maintsy tsaroantsika fa ratsy hatrany am-bohoka ny fontsika ka tsy haintsika samirery ny handeha amin'ny marina. Ny fahasoavan'Andriamanitra irery ihany, miaraka amin'ny ezaka lehibe indrindra ataontsika, no mampandresy antsika. Aoka ny saina sy ny fo hatokana ho amin'ny fanompoana an'Andriamanitra. Manan-jo hitaky izay rehetra momba antsika Izy. -CPTS, t. 544.
Vitsy no mino fa efa nilentika lalina loatra ny olombelona, ary efa ratsy tanteraka, ary manohitra an'Andriamanitra amin'ny fomba mahery vaika. (...) Rehefa tsy eo ambany fitarihan'ny Fanahin' Andriamanitra ny saina, dia azon'i Satana volavolaina araka izay tiany. Kanefa ny herin'ny fisainana rehetra izay feheziny dia haompany amin'ny nofo. Mifanohitra tanteraka amin'Andriamanitra izy eo amin'ny fitiavany, ny fomba fijeriny, ny safidiny, ny tiany sy ny tsy tiany, ny tanjona kendreny. Tsy manintona azy izay tian'Andriamanitra sy ankasitrahany, fa izay halan'Andriamanitra no mahafinaritra azy. (...)
Raha mitoetra ao am-po i Kristy, dia ho ao amin'ny eritreritsika rehetra Izy. Ny eritreritsika lalina indrindra dia hifantoka Aminy, sy amin'ny fitiavany ary ny fahadiovany. Izy no hameno ny efitry ny fisainana rehetra. Hifantoka amin'i Jesosy ny fitiavantsika, ary hifandray Aminy ny fanantenantsika rehetra. Ny fiainana iainantsika ankehitriny amin'ny finoana ny Zanak 'Andriamanitra, amin'ny fiandrasana sy fitiavana ny fisehoany, no ho fifaliana ambony indrindran'ny fanahy. Izy no ho satroboninahitry ny fifaliantsika. - L 8, 1891.
Ireo izay nanazatra ny sainy hahita fifaliana amin'ny zavatra ara-panahy no azo afindra sy hahatanty ny fahadiovana sy ny fahamasinan'ny voninahitry ny lanitra. - CPTS, t. 267.