Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

AMBONIN’NY ZAVON’NY FISALASALANA

Daty
Alatsinainy 08 April 2024

« Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo, dia hianareo rehetra izay manantena an’i Jehovah. » Sal. 31:24. 
Mofon’aina:

Na ny Kristianina manana fanandramana maro aza dia iharan’ireo fanahiana sy ireo fisalasalana ratsy indrindra. (...) Tsy tokony hihevitra ianao fa tsy misy fanantenana ny aminao momba ireo fakam-panahy ireo. (...) Manantenà an’Andriamanitra, matokia Azy ary mitoera ao amin’ny teny fikasany.

Hidio ny varavaran’ny fonao rehefa tonga miaraka amin’ireo fanahiany sy ireo tsy finoany ny devoly. Akimpio ny masonao mba tsy hahatavela anao eo amin’ny aloky ny helo. Asandrato ny maso mba hahafahany mibanjina ny zavatra maharitra mandrakizay ka hanananao tanjaka isan’ora. Sarobidy noho ny volamena ny fitsapana ny finoanao. (...) Hahatonga anao ho sahy hiady ny adin’ny Tompo izany. (...)

Mifandray amin’ireo rehetra maniry ny hifandray aminy i Satana. Raha azony atao ny mahazo ireo izay nanana fanandramana ara-pivavahana dia izy ireo no mpiasa mahomby indrindra hanatrarana ireo olona ireo sy ny fanahiny amin’ny alalan’ny tsy finoana. Tsy azonao atao ny hamela ny fanahiana hitoetra ao an-tsainao. Aza manome fahafinaretana ny devoly amin’ny fitantarana ireo enta-mavesatra entinao. Isaky ny manao izany ianao dia mifaly i Satana fa azon’ny fanahiny atao ny mifehy anao ka tsy mijery an’i Jesôsy Kristy Mpanavotra anao intsony ianao. (...)

Mila maneho Ilay niantso antsika avy amin’ny haizina ho amin’ny fahazavany mahagaga isika. Amin’ny finoana velona no itsaharantsika ao amin’izany fahazavana izany. Amin’ny finoana velona no hifaliantsika isan’andro ny amin’izany fahazavana izany. Tsy tokony hiresaka ny amin’ny fanahiantsika sy ny fizahan-toetra mahazo antsika isika satria mitombo izany isaky ny ataontsika anton- dresaka. Isaky ny miresaka izany isika dia mandresy i Satana; saingy rehefa miteny isika hoe: “Apetrako Aminy ny fiandrasana ny fanahiko, toy ny amin’ny vavolombelona mahatoky” dia mijoro ho vavolombelona isika fa nanolo-tena tanteraka ho an’i Jesôsy Kristy ary noho izany dia manome antsika ny fahazavana Andriamanitra ary mifaly ao Aminy isika.

Ny fanahy izay tia an’Andriamanitra dia misandratra ambonin’ny zavon’ny fisalasalana; manana fanandramana mamiratra, mivelatra, lalina, velona izany ary tonga malemy fanahy sy manahaka an’i Kristy. Mifamatotra amin’Andriamanitra ny fanahiny, miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra. – OHC, t. 86.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal