Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny herin'ny fahamarinan'ny toetra

Daty
Alahady 21 June 2026

"Ny molotra marina ampitoerina ho mandrakizay; fa ny lela mandainga dia indray mipi-maso monja." — Ohab. 12:19.

Mofon’aina:
Misy ireo izay miray fo tanteraka amin'ny fahamarinana ka na famonoana na fahafatesana, dia tsy hahasaraka azy amin'izany. Izay mandositra ny fahamarinana ka mangina, noho ny tahotra sao hanafintohina ny hafa, dia manambara lainga. Ny fanamaivamaivanana ny fahamarinana sy ny fanafinafenana azy mba hahazoana sitraka amin'ny hafa dia miafara amin'ny faharendrehan'ny finoana. Aoka hohalavirintsika ny fahadisoan-kevitra rehetra. Aoka isika tsy hijoro ho vavolombelon'ny lainga, na amin'ny fanginana na amin'ny teny na amin'ny asantsika. (...)

 Izay rehetra manao teny tsy marina dia manompo ilay efa mpandainga hatramin'ny voalohany. Aoka isika hiambina eo anatrehan'ny tsy fahamarinana izay mihamitombo ao anatin'ny olona manao izany. Izao no lazaiko amin'ny rehetra: Aoka ny fahamarinana no ho fehin-kibonao. Fikiro mafy ny finoanao. Halaviro ny fitaka sy ny fanitaran-dresaka. Aza manao fanambarana diso. Milaza ny marina, mba hahasoa ny fanahinao sy ny an'ny hafa. Aza manao teny na asa tsy marina. (...) Zava-dehibe indrindra ho an'ny famolavolana ny toetra kristianina ny fifikirana amin'ny fahamarinana. "Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra." - Efes. 6:14.

 Izay miteny lainga dia mivarotra ny fanahiny amin'ny vidiny mora. Mety hanampy ao anatin'ny fotoana fohy ny lainga lazainy, mety hiroborobo ny raharahany satria mahazo tombony amin'ny lainga izy, tombony izay tsy ho azony amin'ny fifampiraharahana ara-drariny. Saingy amin'ny farany dia tonga amin'ny toerana izay tsy ahafahany matoky na iza na iza izy. Izy tenany aza mpandainga, koa hataony ahoana no hitoky amin'ny tenin'ny hafa? - Ms 82, 1900.

Tsy misy fiarovana amin'ny faharatsiana afa-tsy ny fahamarinana. (...) Hery tokana ihany no afaka mampijoro tsara antsika tsy hihozongozona - ny herin'Andriamanitra, izay omena antsika amin'ny alalan'ny fahasoavan'i Kristy. - L 20, 1903.

Tonga marina sy madio ny toetry ny olona izay mifandray amin'i Kristy. Izy no manolotra ny fahombiazana ka tonga hery miasa ho amin'ny tsara ny olona. (...) Toetran'Andriamanitra ny marina sy mahitsy, ary izay manana ireo toetra ireo dia manana hery tsy azo resena. - Ms 139, 1898. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal