Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fomba hihazonana ny fahitsiana

Daty
Talata 09 April 2024

 "Ary aoka ho tahaka izany koa hianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin'ny ota, fa velona ho an 'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesôsy. Koa aza avela ny ota hanjaka amin'ny tenanareo mety maty hanarahanareo ny filany." — Rôm. 6:11,12. 

Mofon’aina:

Misy mihevitra fa ny ota dia toy ny zavatra maivamaivana ka tsy manana fiarovan-tena amin'ny fampanaranana izany na amin'ny vokatr ' izany izy ireo. (...) Raha heverinao mandritra ny fotoana fohy fa manamaivamaivana ny fahotana Andriamanitra na manome fanafahana manokana anao mba hahafahanao manohy manota ary tsy ory ny fanahinao noho izany, dia eo ambany fangejan'ny fitaka mahatsiravin' i Satana ianao. Izay rehetra mandika ny lalana marin'i Jehôvah an-tsitrapo dia mametraka ny fanahiny ho eo amin'ny famitahan'i Satana.
Rehefa verinao ny fahitsiana araka ny feon'ny fieritreretanao dia tonga sahan'adin'i Satana ny fanahinao; misy fanahiana sy tahotra ampy hamotika ny herinao sy hanosika anao ho amin'ny fahakiviana ao aminao. (...) fa tsy fahotana ny fakam-panahy. Tsarovy fa, na inona na inona toe-javatra ametrahana ny olona iray, dia tsy misy afaka hampahalemy ny fanahiny raha tsy mbola milefitra amin' ilay fakam-panahy izy ka mitahiry ny fahatokiany. Eo am-pelatananao ireo tombontsoa lehibe indrindra ho anao manokana. Tsy misy afaka manimba izany raha tsy amin'ny fanekenao. Tsy afaka handratra anao ireo legionan'i Satana raha tsy vohanao ny fanahinao ho amin'ny asa sy ny zana-tsipikan'i Satana. Tsy ho ringana ianao raha tsy efa manaiky izany. Raha tsy misy halotoam-pisainana ao aminao dia tsy afaka handoto anao ireo fahalotoana rehetra manodidina anao.
Na zava-drehetra ho antsika na tsy misy heviny amintsika ny fiainana mandrakizay. Ireo izay miezaka mafy amim-paharetana sy amim-pahavitrihana tsy mety sasatra amin'ny faniriana mafy mifanaraka amin'ny tombambidin'ny zavatra arahiny dia hahazo izany fiainana izay mifanaraka amin'ny fiainan' Andriamanitra izany. (...)
Manoloana antsika ny ohatra nasehon'i Adama sy i Eva, ary ny vokatry ny fandikan-dalana nataony dia tokony hitarika ny fanahintsika tsirairay hiala amin'ny fahotana, hankahala izany amin'ny maha-ratsy azy, ary hahatsapa eo anatrehan'ny fahoriana ateraky ny fahotana fa tsara kokoa ny miaritra ny fahaverezan'ny zava-drehetra toy izay hiala amin'ny kely indrindra amin'ny didin'Andriamanitra. — OHC, t. 94. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal