Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny tsikin'Andriamanitra

Daty
Talata 16 April 2024

"Ny fitahian'Andriamanitra no mampanan-karena, ary tsy azon'ny fisasarana ampiana alahelo izany." - Ohab. 10:22.  

Mofon’Aina:
Tsy misy na inona na inona mety hahitantsika soa marina raha tsy   eo ny fitahian'Andriamanitra. Izay tahin'Andriamanitra dia voatahy tokoa. Koa "tsara lavitra ny kely ananan’ny olona marina anankiray noho ny be ananan’ny ratsy fanahy maro" - Sal. 37:16. Ombam-pahombiazana kokoa ny fananana kely miaraka amin'ny fitahian'Andriamanitra, ary mbola hitombo be lavitra. (...). Rehefa manolo-tena hanao ny raharahan'ny fanjakan'Andriamanitra isika dia hiahy ny raharahantsika Izy. 
Nomen'ny Tompo fitahiana sarobidy isika ao amin'ireny voninkazo eny an-tsaha ireny, izay maha-velom-bolo antsika ny fofony mamerovero. Nomeny loko kanto ny voninkazo tsirairay; Izy mantsy no Ilay Mpahay zava-kanto lehibe indrindra. Ary ilay namorona izany zavatra tsara tarehy teo amin'ny voary izany, dia hanao zavatra tsara lavitra ho an'ny fanahy tsirairay. Tia ny tsara Andriamanitra, ary iriny horavahana amin'ny harem-pahasoavany ny toetransika. Tiany ho manim-pofona toy ny voninkazo eny an-tsaha koa ny fitenintsika. Tahiny isika ka omeny antsika isan'andro izay ilaintsika ara-nofo. Maneho sy mitondra ny mariky ny hazo fijaliana na dia ny mofo hanintsika aza. 
Ny olona izay manao lohalaharana ny fahazoana antoka ny fitahiana maharitra mandrakizay hoenti-mamoky ny fanahiny no tena sambatra. Hoy ny Mpamonjintsika hoe "Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany" - Mat. 6:33. Miahy antsika Andriamanitra, eny, tahiany koa ny ara-nofontsika. Tsy misy ataon'Andriamanitra ambanin-javatra izay mahasoa antsika eto an-tany. 
Fantany tsara fa ilaintsika ireo zavatra ireo. Rehefa itsikian'Andriamanitra ny ezaka ataontsika, dia izany no tsara lavitra noho ny vola rehetra mety ho azontsika eto an-tany. (...) "Manjary mamy ery isan'andro ny fisahiranantsika rehefa mifangaro amin'ny fitiavany antsika!" 
Ny fanafahana rehetra sy ny fitahiana rehetra izay efa nomen'Andriamanitra ny olony tamin'ny lasa, dia tokony ho velomina mandrakariva ao amin'ny fitadidiantsika, mba ho tonga toky azo antoka ny amin'ny hanomezany antsika fitahiana lehibe sy mitombo hatrany. 
Nomena tombontsoa handray fitahiana isika, ary tsy misy fetra izany fitahiana izany. - OHC, t. 196. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal