Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Amin’ny mason’ny finoana

Daty
Alarobia 17 April 2024

"Ary mba hampahiratina ny mason'ny sainareo, mba ho fantatrareo izay fanantenana avy amin'ny fiantsoany sy izay herin'ny voninahitry ny lovany eo amin'ny olona masina." -Efes. 1:18.

Mofon’Aina:
Ny fahiratan-tsaina lehibe indrindra dia tsy mahasolo ary tsy hahasolo toerana ny tena fahatsoram-po sy ny tena fahamasinana. Azo ianarana tahaka ny taranja siansa ianaran'ny olombelona ny Baiboly; saingy ny hakantony, ny porofon'ny heriny mahavonjy ny fanahy mino, dia lesona tsy azo ianarana tahaka izany velively. Raha tsy ampiharina eo amin'ny fiainana ny Teniny, dia tsy ho voan'ilay sabatry ny Fanahy akory ny fo ara-nofo. (...) Mifehy azy loatra ny fihetseham-po, hany ka tsy tsapany loatra ny haranitr'ilay lelan-tsabatra izay manindrona sy mandrava ny fitoeran'ny fahotana, izay iankohofana amin'ny "izaho". (...)
Tsy maintsy ampahiratina ny mason'ny saina; ary ny fo sy ny fisainana atao mifandrindra amin'Andriamanitra, Izay fahamarinana. Izay mibanjina an'i Jesôsy amin'ny mason'ny finoana, dia tsy hahita voninahitra eo amin'ny tenany, fa ny voninahitr'Ilay Mpanavotra no miseho ao an-tsainy sy ao am-pony. Tanteraka ny fanavotana amin'ny alalan'ny rany, ary ho velom-pankasitrahana ny fo noho ny fahotana voakosoka. 
Terem-panahy hanolo-tena tanteraka ho an'Andriamanitra ilay olona nohamarinin' i Kristy, nandray ny fahamarinana, ka tafiditra ao amin'ny sekolin'i Kristy, mba hianarany Aminy — Ilay malemy fanahy sady tsy miavona am-po. Hameno ny fony ny fahalalana ny fitiavan'Andriamanitra. Hiloa-bava izy hoe: "Endrey izany fitiavany! Endrey ny fanetren-tenany!" Eo am-pamikirany amin'ny haren'ny teny fikasany dia tonga mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra izy. Satria foana ny "izaho", dia mitosaka tsy misy mpanakantsakana ny onin'ny ranon'aina, ary mamirapiratra ny voninahitr'Andriamanitra. Eo am-pibanjinany mandrakariva an'i Jesôsy, dia mihamitovy amin'Andriamanirta ny olombelona. (...)
Ny olona amin'ny fahadiovany sy ny fahatanterahany no raisin'i Kristy ho valisoan'ny fijaliany, ny fanetren-tenany, ny fitiavany, ary fampitomboana ny voninahiny; i Kristy no ivo lehibe iaingan'ny famirapiratan’ny voninahitra rehetra. - OHC, t. 203. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal