Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Kristy Ilay Mpamonjy mahery.

Daty
Alarobia 02 September 2026

"Fa isika tsy manna mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin 'ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota." Heb. 4:15. 

Mofon’aina:

Raha nentina nankany an-efitra mba halaim-panahy i Jesosy, dia ny Fanahin'Andriamanitra no nitondra Azy. Tsy nitady ny fakam-panahy Izy. Nandeha tany an-efitra Izy mba ho irery, handinika ny iraka nampanaovina Azy sy ny asany. Amin'ny alalan'ny fifadian-kanina sy ny fivavahana no hampaherezany ny Tenafly hiatrika ny lalana voapentin'ny ra izay tsy maintsy hodiaviny. Fantatr' i Satana anefa fa nankany an-efitra ny Mpamonjy, ka noheveriny fa io no fotoana mety indrindra hanatonana Azy. (...) Efa nandalovan'i Kristy ireo dingana izay tsy maintsy lalovan'ny mpanota rehetra: ny fiovam-po, ny fibebahana, ary ny batisa. Tsy nanana ota tokony hibebahana na hosasana Izy. Kanefa ohatra ho antsika amin'ny zavatra rehetra Izy, koa dia tsy maintsy nataony izay tiany hataontsika. (...)

 Zanak'Andriamanitra mandrakizay Izy, saingy amin'ny maha-mpiantoka ny olombelona Azy, dia tsy maintsy niatrika sy nanohitra ny fakam-panahy rehetra manjo ny olona Izy. (...) Teo am-pilanjany ny fahotan'izao tontolo izao izay mavesatra tokoa, dia noreseny ny fakam-panahy lehibe momba ny fitiavan-komana, momba ny fitiavana  izao tontolo izao, ary momba ny fitiavana sehoseho izay mitarika ho amin'ny avonavona. (...)

Raha mibanjina amim-pahatokiana Ilay Kapithomby amin'ny ady ataony amin'lo(...)Methomaro ny fahalemeny sy ny fahotany, ary tsy azo anoharana ny tsy fahalalany; nefa raha mahatsapa ny fahalemeny izy ireo ka mitodika any amin'i Kristy hahazoana fanampiana, dia Izy no ho heriny sy fahombiazany. (...) Hiova ny toetrany noho ny herin'i Kristy. (...) "Manoatra noho ny mpandresy" izy ireo amin'ny alalan'ny fahamendrehana sy ny hery omeny. Hisy fanampiana tsy avy amin'ny herin' olombelona homena azy, hahatonga azy, na be fahalemena aza, hahay ny zavatra rehetra. (...)

Amim-pinoana no hilazany amin'ny fahavalo hoe: "Miady ny ady tsaran'ny finoana izahay, eo ambany fifehezan'ny Hery Tsitoha. Satria velona Izy, dia ho velona koa izahay. Voatohitray amin'ny alalan'i Jesôsy (...) ny zana-tsipika mirehitra rehetran'ny fahavalo. » - ST, 12 Marsa 1912. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal