"Miambena hianareo, tomoera tsara amin'ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza."- 1 Kor. 16:13.
Mofon’aina:
Miantso olona vonona sy sahy hiakatra loza Andriamanitra. Aza mifampiraharaha amin'i Satana, fa atreho amin'ny "Voasoratra hoe" izy. "Aoka hitombandahy, mahereza." Ny finoana tena izy irery ihany no tokony ho fototry ny asantsika, ary naneho amin'ny ohatra madio sy tsy misy tsiny fa azo atao ny tsy ho "malaina" fa "hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo."- Rôm. 12:11, ary amin'izany dia hotantanana araka ny fitsipiky ny Baiboly ny raharaham-barotra rehetra. (…)
Tianay haverimberina hatrany, mandra-pahatonga izany ho voasoratra lalina ao am-po, ilay fanasana mahafinaritra hoe: "Tomoera Amiko." Vakio ny Teny, ary saintsaino izany araka ny "izao no lazain'i Jehôvah ." Mivavaha mandra-pahazoanao tsara ny lesona sy ny hevitry ny hoe "mitoetra ao Aminy", miaraka amin'ny fitakiany sy ny teny fikasany. Ny fanahy Masina, izay Solonten'i Kristy, dia eto amin’izao tontolo izao mba hampahatsiahy antsika ny zavatra rehetra , mba tsy hanadinoantsika na hanaovantsika tsinontsinona ny fitakiany. (…) Ireo izay miandry mba handre izay lazain'ny Fanahy Aminy dia tsy ho faty antoka. I Kristy irery no banjino, ary miandrasa Azy amim-panginana mba handrenesanao ny Feony manao hoe: "Tomoera amiko ary Izaho anatinareo." (...)
Maro ireo manatona ny Mpamonjy tsy amim-paharesen-dahatra tanteraka. Atao batisa izy ireo, saingy tsy misy finoana hita taratra eo arnireny toetrany. Manasa ny rehetra izahay hanatona ka hitoetra ao amin'i Kristy, ary handroso isan'andro ho amin'ny fahatanterahan-toetra amin'ny alalan'ny fitoerana ao Aminy. Raha manao izany izy ireo, dia hahazo ny fitsaharana izay tsy azo raha tsy amin'ny fankatoavana feno irery ihany.
Kanefa mampitandrina anareo aho fandrao ianareo mijoro eo anelanelan'ny fiainarn-bavaka sy ny fitiavana an'izao tontolo izao. "Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy Mamona hianareo."- Mat. 6:24. Na ianareo miandany amin'ny ilany na amin'ny ilany. (...) Mitaona antsika hiandany Aminy i Kristy, ary i Satana. koa dia mampiseho ny zava-manintona rehetra mba hiandaniantsika aminy. Iza no hofidinao? Hijoro eo ambany fanevan'iza ianao?- Ms, 194, 1898.