Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Ny hafatr’i Elia.

Daty
Alatsinainy 05 October 2026

Vakio ny 1 Mpanj. 18:19-39. Inona no hitantsika ao amin'io tantara io momba ny asan'ny mpaminany?

Ny fiantsoana an'i Elia sy ny fomba fiteniny dia naneho ny asany amin'ny maha mpitondra ny hafatr'Andriamanitra azy. Mba hampitsaharana ny fihemoran'ny Isiraely, dia naniraka an'i Elia ho any amin'ny mpanjaka Ahaba Andriamanitra hanambara ny amin'ilay hain-tany izay haharitra taona maro. Nampiasain'Andriamanitra io fotoam-pahoriana io mba hampiala ny vahoakany amin'ny fanompoana sampy sy hampiverina azy ireo amin'ny fankatoavana. Nanome tsiny an'i Elia mpaminany ho anton'ny fahoriany ny mpanjaka sy ny firenena, ary nitady hahafaty azy.

Nifanandrina tamin'ireo mpaminanin'i Bala sy Aseraha teo an-tendrombohitra Karmela i Elia. Vonton'ny Fanahy Masina ilay irak'Andriamanitra, nanao antso tamin'ny Isiraely mpanompo sampy mba handà ireo andriamani-tsy izy sy hiverina amin'i Jehôvah . Fantatry ny vahoaka fa ny safidiny no nitarika azy ireo ho amin'ny fihemoran'ny firenena manontolo. Vonona ny hanaraka ny Andriamanitr'i Elia indray izy ireo izao, Izay nanaporofo ny fahamboniany mihoatra noho ireo andriamani-tsy izy, izay tsy misy akory raha ny marina.

Mibaiko ny fiangonany Andriamanitra mba hitory indray ny hafatr'i Elia, mialoha kely ny fiavian'i Jesosy fanindroany, mba hialan'ny olona amin'ny "sampy" sy hivononany hijoro amin'ny andro lehiben'i Jehôvah . Mbola mifandray amin'ny vahoakany amin'ny alalan'ireo fantsona efa nofidiny Andriamanitra ankehitriny. Mananatra, mampitandrina, manoro hevitra, ary mampahery ny Teniny sy ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana.

"Ny fifohazan'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra marina no zavatra ilaintsika maika indrindra. Ny fikatsahana izany no tokony hataontsika laharam-pahamehana. Tsy maintsy misy ezaka atao mba hahazoana ny fitahian'Andriamanitra; tsy hoe satria tsy maniry handrotsaka ny fitahiany amintsika Andriamanitra, fa satria tsy vonona handray izany isika." - SIM, b. 1, t. 121.

Vakio ny Mal. 3:23,24. Inona no akon'ny hafatr'i Elia eo amin'ny fiainan-tokantranon'ireo izay manaraka an'Andriamanitra?

Ny tena fifohazana marina dia manomboka ao am-po sy ao an-tokantrano. Ny ankohonana no vato fehizoron'ny fiangonana sy singa tsy azo ialana mandrafitra ny fiarahamonina. Ny fifohazana ao an-tokantrano dia mifindra sy mameno ny fiangonana, ny fiarahamonina ary ny firenena, amin'ny fitiavana avy any an-danitra. Izany no fikasan'Andriamanitra ho an'ny ankohonana kristianina. Mandrisika ny vahoakan'Andriamanitra hanatanteraka ny iraka koa ny fifohazana.

Inona ny karazana sampy, raha misy, hita ao an-tokantranontsika, ao am-pontsika, ary ao am-piangonantsika ankehitriny?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal