Hodinihina mandritra ny herinandro: Heb. 1:1,2; 2 Tim. 3:15-17; 2 Pet. 1:18-21; Eks. 17:14; Apôk. 1:19; Ezek. 4:1-8.
Tsianjery
"Ny fanambaran'i Jesôsy Kristy, izay nomen'Andriamanitra Azy, mba hasehony amin'ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana; ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin'i Jaona mpanompony, izay nanambara ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana an'i Jesôsy Kristy, dia ny zavatra rehetra izay efa hitany." - Apôk. 1:1,2
Anisan'ireo apostoly 12, izay akaiky indrindra an'i Jesosy, i Jaona (Lio. 8:51; Mat. 17:1; Mat. 26:36,37). Nanohy ny asa fanompoany tao Jerosalema izy taorian'ny niakaran'i Kristy ho any an-danitra. Kanefa talohan'ny faharavan'ny tanàna tamin'ny taona 70 TrK, dia nifindra tany Efesosy izy mba hiandraikitra ireo fiangonana tao amin'ny faritanin'i Azia Minora, izay teo ambany fanapahan'ny Romanina. Natao sesitany tany Patmo, nosy iray any amin'ny Ranomasina Égée, ity apostoly ity, nandritra ny fanenjehana ny Kristianina tamin'ny andron'ny amperora romanina Domitien.
Tany Patmo no nandraisan'i Jaona hafatra ara-paminaniana manokana, izay tsy natao ho an'ireo fiangonana fito tany Azia Minora ihany, fa ho an'ny Kristianina amin'ny taranaka rehetra koa (Apôk. 1:1-3, 9-11). Toy izao ny fifandimbiasan'ny fampitana ny hafatra ara-paminaniana izay nandraisan'i Jaona anjara: Andriamanitra Ray → Jesosy Kristy → anjely → apostoly Jaona → ireo mpamaky sy mpihaino. Ohatra mazava momba ny fizotry ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin'Andriamanitra izany, ka ampiasain'Andriamanitra ny mpaminany mba hampita ny hafany amin'ny olombelona.
Mandinika manokana ireo endrika samihafa isehoan'ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin'Andriamanitra ny lesona mandritra ity herinandro ity, ka hifantoka indrindra amin'ny fampitana ny hafatr'Andriamanitra amin'ny olona amin'ny alalan'ny fitenenana sy ny fanoratana ary ny fanehoana ara-tandindona.