"Ary Jesosy niteny tamin'ny olona indray ka nano hoe: 'Izaho no fahazavan 'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan 'aina. " " - Jao. 8:12.
Mofon'aina:
Ny dia mpanara-dia an' i Jesosy mpiara-miasa amin' Andriamanitra. Tsy handeha amin'ny maizina izy, fa hahita ny lala-marina kosa, ary i Jesosy no hitari-dalana azy (...)Eo am-pizorany ho any Ziona amim-pinoana, dia hiaina fanandramana mazava kokoa amin'ny zava-panahy izy ireo. Ny iraka notanterahin'i Kristy (...), ilay nahatonga Azy handao ny seza fiandrianan'Andriamanitra mba ho eo amin'ny alitaran'ny hazo fijaliana mifono zava-miafina, dia hihamazava hatrany amin'ny saina, ary ho hita fa ilay sorona nataon'i Kristy no loharano sy foto-kevitra ijoroan'ny asam-pitiavana rehetra. (...)
Nampianarin' i Jesosy ireo mpanara-dia Azy fa mpitrosa amin'ny Jiosy sy amin'ny Grika izy ireo, (...) ka nataony izay hahatakarany fa ny fanavakavaham-pihodirana sy saranga, ary ireo tsipika fampisarahana napetraky ny olombelona dia tsy ankasitrahan' ny Lanitra, ary tsy tokony hisy fiantraikany eo amin'ny fampielezana ny filazantsara. Ny mpianatr'i Kristy dia tsy tokony hanisy fanavahana eo amin'ny namany sy ny fahavalony, fa tokony horaisiny ho toy ny namany mila ny fanampiany ny olona tsirairay, ary ho toy ny sahan'asany izao tontolo izao, ka hiezaka izy hamonjy ny very. Samy nomen'i Jesosy anjara asa ny lehilahy sy ny vehivavy, ary nesoriny avy tao amin'ny faribolana ety izay nosoritan'ny fitiavan-tenany izy ireo (...) Tsy ferany ny zotom-po eo amin'ny asa fitoriana, fa manasa ny mpanara-dia Azy aza Izy mba hanitatra ny asany hatrany amin'ny faritra lavitra indrindra, hatrany amin'ny faran'ny tany.
Ny Tompo Jesosy no fahombiazantsika amin'ny zavatra rehetra. Ny Fanahiny no tokony ho hery manetsika antsika; ary rehefa apetratsika eo an-tanany ny tenantsika mba ho fantsona mitondra fahazavana, dia tsy ho lany ritra ny harentsika hoentina manao soa, satria eo am-pelatanantsika ny loharanon-kerin'i Jesosy Kristy. (...) Te hampianatra antsika isaky ny indray mandingana ny Kapitenin'ny famonjena antsika fa misy hery tsitoha azon'ny finoana velona ampiasaina. (...) Hoy Izy: "Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy (..)" — RH, 30 Oktobra 1894.