Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ilay manao fanelanelanana ho antsika manokana 

Daty
Sabotsy 08 June 2024

"Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin'ny maty koa ka mitoetra eo amin'ny tànana ankavanan'Andriamanitra ary mifona ho antsika. " - Rôm. 8:34. 

Mofon'aina:
Manao fanelanelanana ho antsika manokana ny Tompo Jesôsy (...). Averimbereno matetika mandritra ny andro hoe: "Maty ho ahy i Jesôsy. Hitany aho fa very, vonona ho amin'ny fandringanana, dia nafoiny hamonjena ahy ny ainy. Tsy mba tahaka ny an'ny olona lozabe ny fijeriny ny fanahy mangovitra mitalaho sy miankohoka eo an-tongony, ary tsy maintsy hampiarina ahy Izy." Tonga Mpisolovavan'ny olona Izy. Asandrany ireo izay mino Azy ary vonona Izy handrotsaka ny harem-pitahiana avy ao amin'ny trano firaketany ho azy ireo araka izay ilainy. Tsy misy olona mahay mitahy ny olona namany, tsy mahay manaisotra na pentin'ota iray aza izy. Ny fahamendrehan'i Kristy sy ny fahamarinany ihany no ilaina, kanefa dia omena antsika amin'ny fahafenoany tanteraka izany. Azontsika antsoina amin'ny fotoana rehetra Izy. Rehefa mitodika Aminy isika dia hoy Izy hoe: "Inty Aho". (...)

 Nanambara ny Tenany ho Ilay mpanao fanelanelanana ho antsika i Kristy. Tiany ho fantatsika fa nanolo-tena ho Mpisolo antsika Izy. Napetrany ao amin' ilay lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra ny fahamendrehany(...) mba hifangaro amin'ny hanitry ny fahamendrehan'i Kristy ny vavak' ireo zanany malalany (...).

 Ren'Andriamanitra Ray ny vavaka tsirairay ataon ' ny zanany torotoro fo. Ny feontsika mitalaho eto amin' ity tany ity dia miara-miakatra amin'ny feon'Ilay Mpanelanelana antsika, Izay mifona ho antsika any an-danitra, feo izay ren'Andriamanitra Ray mandrakariva. Koa aoka hisandratra mandrakariva ho any amin'Andriamanitra ny vavaka ataontsika. Aoka tsy hatao amin'ny anaran'ny olombelona izany, fa amin'ny anaran'Ilay maty nisolo antsika sy Mpiaro antsika. Nomen'i Kristy hampiasaintsika ny anarany. (...)

Mandray tsara anao toy ny fandraisany ny sakaizany i Jesôsy. Tiany ianao; nanome toky Izy fa hanokatra eo anoloanao ny harem-pahasoavany mba ho azonao ampiasaina. Hoy Izy: "Amin 'izany andro izany dia hangataka amin 'ny anarako hianareo; ary tsy milaza aminareo Aho fa Izaho no hangataka amin 'ny Ray ho anareo; fa ny Ray dia tia anareo satria hianareo efa tia Ahy, ary efa nino fa nivoaka avy tamin 'ny Ray Aho." — Jao. 16:26,27. —HP, t. 79.  

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal