Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ilay manao fanelanelanana ho antsika manokana 

Daty
Sabotsy 08 June 2024

"Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin'ny maty koa ka mitoetra eo amin'ny tànana ankavanan'Andriamanitra ary mifona ho antsika. " - Rôm. 8:34. 

Mofon'aina:
Manao fanelanelanana ho antsika manokana ny Tompo Jesôsy (...). Averimbereno matetika mandritra ny andro hoe: "Maty ho ahy i Jesôsy. Hitany aho fa very, vonona ho amin'ny fandringanana, dia nafoiny hamonjena ahy ny ainy. Tsy mba tahaka ny an'ny olona lozabe ny fijeriny ny fanahy mangovitra mitalaho sy miankohoka eo an-tongony, ary tsy maintsy hampiarina ahy Izy." Tonga Mpisolovavan'ny olona Izy. Asandrany ireo izay mino Azy ary vonona Izy handrotsaka ny harem-pitahiana avy ao amin'ny trano firaketany ho azy ireo araka izay ilainy. Tsy misy olona mahay mitahy ny olona namany, tsy mahay manaisotra na pentin'ota iray aza izy. Ny fahamendrehan'i Kristy sy ny fahamarinany ihany no ilaina, kanefa dia omena antsika amin'ny fahafenoany tanteraka izany. Azontsika antsoina amin'ny fotoana rehetra Izy. Rehefa mitodika Aminy isika dia hoy Izy hoe: "Inty Aho". (...)

 Nanambara ny Tenany ho Ilay mpanao fanelanelanana ho antsika i Kristy. Tiany ho fantatsika fa nanolo-tena ho Mpisolo antsika Izy. Napetrany ao amin' ilay lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra ny fahamendrehany(...) mba hifangaro amin'ny hanitry ny fahamendrehan'i Kristy ny vavak' ireo zanany malalany (...).

 Ren'Andriamanitra Ray ny vavaka tsirairay ataon ' ny zanany torotoro fo. Ny feontsika mitalaho eto amin' ity tany ity dia miara-miakatra amin'ny feon'Ilay Mpanelanelana antsika, Izay mifona ho antsika any an-danitra, feo izay ren'Andriamanitra Ray mandrakariva. Koa aoka hisandratra mandrakariva ho any amin'Andriamanitra ny vavaka ataontsika. Aoka tsy hatao amin'ny anaran'ny olombelona izany, fa amin'ny anaran'Ilay maty nisolo antsika sy Mpiaro antsika. Nomen'i Kristy hampiasaintsika ny anarany. (...)

Mandray tsara anao toy ny fandraisany ny sakaizany i Jesôsy. Tiany ianao; nanome toky Izy fa hanokatra eo anoloanao ny harem-pahasoavany mba ho azonao ampiasaina. Hoy Izy: "Amin 'izany andro izany dia hangataka amin 'ny anarako hianareo; ary tsy milaza aminareo Aho fa Izaho no hangataka amin 'ny Ray ho anareo; fa ny Ray dia tia anareo satria hianareo efa tia Ahy, ary efa nino fa nivoaka avy tamin 'ny Ray Aho." — Jao. 16:26,27. —HP, t. 79.  

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (54)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal