Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny asan'ny finoana

Daty
Alatsinainy 10 June 2024

"Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita." — Heb. 11:1. 

Mofon'aina:
Tsy ny finoana no fototry ny famonjena antsika, kanefa fitahiana lehibe kosa izy - maso mahita, sofina mandre, tongotra mamindra, ary tanana mihazona. Fitaovana ny finoana fa tsy tanjona farany. Raha nanolotra ny ainy ho famonjena ny mpanota i Kristy, nahoana moa aho no tsy handray izany fitahiana izany? Ny finoako no mihazona izany, ary amin'izany ny finoako no fahatokiako ny amin'ny zavatra antenaiko, fanehoana ny zavatra tsy hita. (...) 

Amin'ny alalan'ny finoana, io ilay finoana mahavonjy (...), ny fanahin'ny olona no manolo-tena tanteraka hofehezin'i Jesôsy Kristy. Mitoetra ao amin'i Kristy izy ary i Kristy mitoetra ao amin'ny fanahiny amin'ny finoana, sy manapaka ao. Apetrak'ilay mpino eo an-tanan'Andriamanitra ny tenany sy ny fanahiny, ary afaka milaza amin-toky izy hoe: «Hain'i Kristy ny mitahiry izay napetrako Taminy ho amin'ilay andro iray.» Ho voavonjy mandrakizay izay rehetra manao izany. Misy toky ho an'ny fanahy izay voasasan'ny ran'i Kristy sy voatafy amin'ny fahamarinany ary sarobidy eo imason'i Jesôsy.

Tadidio fa anisan'ny fomba fanamafisana ny finoana ny fampiasana azy. Raha mipetraka lalandava ianao ka tsy mihetsika mihitsy, dia halemy ny hozatrao, ary ny rantsam-batanao ho osa ka tsy ho afa-mihetsika intsony. Marina koa izany eo amin'ny fanandramana ara-pivavahana. Tsy maintsy mino ireo teny fikasan'Andriamanitra ianao. (...) 

Tena zava-dehibe indrindra ho antsika ny manao izay hahatonga ny fanahintsika ho voahodidin'ny rivo-piainan'ny finoana. Manapa-kevitra ny amin'izay ho anjarantsika mandrakizay isika isan'andro, miankina amin'ny rivo-piainana manodidina antsika. Samy hampamoahina isika tsirairay ny amin'izay asehontsika amin'ny hafa, fa misy vokany tsy hitantsika maso ny teny sy ny asa ataontsika. Raha ho namonjy an'i Sôdôma Andriamanitra noho ny fisian'ny olona folo marina, ho tsara hanao ahoana re ny vokatra raha ny vahoakan'Andriamanitra, dia izay rehetra mitondra ny anaran'i Kristy, no mahatoky sy mitafy ny fahamarinany e? — HP, t. 104. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (24)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal