Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Toetra volamenan'ny Kristianina

Daty
Sabotsy 15 June 2024

  "Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena, ary tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena." - Ohab. 22:1.

Mofon'aina:

Mety haniry laza sy voninahitra ny olona. Ho an'ny sasany, ny fananana trano sy tany maro ary vola be, izay hahazoany fahalehibiazana araka izao tontolo izao, no faniriany ambony indrindra. Tian' izy ireo ny ho eo amin'ny toerana izay ahafahany mianjonanjona amin'ireo mahantra noho ny fahamboniany. Ny toa azy ireny no manorina ambonin'ny fasika, ka ho rava tampoka ny tranon' izy ireo. (...) Ny fahalehibiazana ara-panahy eo imason'Andriamanitra ihany no mendrika hokatsahina. Mety tsy ho fantatrao mandrakizay ny tena toetra sy ny fahambonian'ny asanao. Tsy fantatrao ny tombam-bidin'ny tenanao raha tsy ampitahainao amin'ilay aina nafoy ho famonjena izay rehetra mandray azy izany.

Ho azon'ny olona tsirairay an-tsaina ny tombam-bidin'ny tenany rehefa tonga mpiara-miasa amin'i Kristy izy, ka manao ny asa nataon'i Kristy, mameno izao tontolo izao amin'ny fahamarinan'i Kristy, mamita ny iraka avy amin'ny Avo Indrindra. (...) Omena izay rehetra mifandray amin'i Kristy ny iraka nomena ny mpianatra. Aoka hikely aina fatratra izy ireo ho amin'ny fifalian' ny famonjena ireo fanahy tsy ao amin'i Kristy ka efa ho faty.

Ny voninahitra ambony indrindra mety hatafy ny olombelona, na tanora izy na antitra, na manan-karena na mahantra, dia ny famelana azy hiaro ny ampahorina sy hampahery ireo ketraka. Feno fahoriana izao tontolo izao. Mandehana torio amin'ny mahantra ny filazantsara, sitrano ny marary. Izany no asa mifandray amin'ny hafatry ny filazantsara (Mat. 11:15). (...) Miseho amin'ny asa ny fitiavantsika an' i Kristy. Raha mihena ny fitiavantsika Azy dia hihalefy koa ny fitiavantsika ireo izay namoizany ny ainy (...).

Ny finoana marina sy ny fitiavana marina no tena harena. Ireo no mahatanteraka ny toetra ao amin'i Kristy. Raha be kokoa ny finoana, finoana feno fahatsorana sy mitoky amin'i Jesôsy, dia hisy ny fitiavana, fitiavana madio izay toetra volamenan'ny Kristianina. — HP, t. 173.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal