Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny antson'ny adidy

Daty
Alarobia 19 June 2024

 "Izay rehetra azon'ny tànanao atao dia ataovy amin'ny herinao." - Mpitt. 9:10. 

Mofon’aina:
Ny antson'ny adidy dia feon'Andriamanitra — mpitari-dalana voajanahary, nirahin'ny lanitra. Tsy maintsy manatanteraka ny adidy manoloana antsika mivantana isika, na mahafinaritra izany na tsia. Raha tian 'Andriamanitra hitondra hafatra any Ninive isika dia tsy ho faly Izy raha any Jopa na any Kapernaomy indray no alehantsika. Misy antony matoa Andriamanitra maniraka antsika any amin'ny toerana izay itarihany ny tongotsika (...).

 Ireo amboahaolo madinika izay manimba ny tanimboaloboka, ny tsirambina madinidinika, ny fahalemena kely, ny tsy fahatokiana kely, ny fihatahana kely amin'ny fitsipika, ireo no manajamba ny fanahy sy manasaraka azy amin'Andriamanitra.

Ireo zava-madinika eo amin'ny fiainana no mamolavola ny toe-tsaina sy mamaritra ny toetra. Izay manao tsirambina amin'ny zava-madinika dia tsy ho vonona hiaritra ny fizahan-toetra mahamay rehefa tonga aminy izany. Aza hadinoina fa mandritra ny androm-piainana no anorenana ny toetra, toy ny trano. Isan'andro dia na biriky tsara, na biriky ratsy, no arafitra eo. Na ianao manao tandrametaka, na ianao manorina mahitsy tsara tsy mivaona, ka mahavita tempoly tsara rafitra ho an'Andriamanitra. Noho izany, raha te hanao zava-dehibe ianao, dia aza atao an-tsirambina ireo fotoana kely fanararaotra mandalo eo aminao isan'andro. Izay manao kitoatoa amin'ny zava-madinika kanefa midera tena ho vonona hanao zavatra miezinezina ho an'ny Tompo, dia ahina tsy hahomby velively. (...)

Izay rehetra azon' ny tànanao atao dia ataovy amin'ny herinao. Ataovy izay hampahafinaritra ny asanao amin'ny fandravahanao azy amin'ny hiram-piderana. Raha tianao tsy hisy tomika ny mombamomba anao voarakitra ao amin'ny bokin'ny lanitra, dia aza be fanahiana na fitarainana. Aoka ny fivavakao ho toy izao: "Ampio aho Andriamanitra hanao ny tsara indrindra mety ho vitako Omeo hery sy fifaliana aho. Ampio mba ho hita taratra eo amin'ny asa fanompoana ataoko ny fanompoam-pitiavana nataon'ny Mpamonj y."

Raiso ho masina ny adidy tsirairay, na dia ny tsotra indrindra aza, fa anisan'ny fanompoana an'Andriamanitra izany. Aza avela hisy zavatra hampanadino anao an'Andriamanitra. Na inona na inona ataonao dia ento miaraka aminao i Kristy, dia ho feno famirapiratana ny fiainanao ka ho velom-pisaorana Azy ianao. — HP, t. 226. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal