Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny adidintsika amin'ny mahantra

Daty
Alakamisy 27 June 2024

"Fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-trano-maizina Aho, dia novangianareo." - Mat. 25:35,36. 

Mofon'aina:
Mila ny firaisam-pontsika izao tontolo izao, mila vavaka sy fanampiana avy amin'ny vahoakan'Andriamanitra, ary mila mahita an'i Kristy eo amin'ny fiainan'ireo mpanara-dia Azy; kanefa ny vahoakan'Andriamanitra koa mila azy ireo mba hanehoany firaisam-po, mba hampisy vokany ny vavaka ataony, ary mba hahazoany mamolavola toetra araka an'Andriamanitra ao aminy. Izany no antony nametrahan'Andriamanitra ny vahoakany eo anivon'ny mahantra, ny sahirana, ny marary, ary ny mijaly. Lova navelan' i Kristy ho an'ny fiangonana ireo fadiranovana ireo, natao hokarakaraintsika tahaka ny nikarakaran'i Kristy antsika. Toy izany no anesoran'Andriamanitra ny tain-drendrika sy anadiovany ny volamena, ka anomezany antsika ny toe-po sy ny toe-tsaina ilaintsika.

Azon'Andriamanitra tanterahina tsy misy antsika ny asany. Tsy miankina amin'ny volantsika, na ny fotoantsika, na ny filofosantsika Izy tsy akory. Saingy sarobidy indrindra eo imasony ny fiangonana. Ao no itoeran'ny vatosoany sarobidy, vala misy ny andian'ondriny, ary iriny fatratra izy tsy hisy pentimpentina na fiketronana na izay toy izany. Fitiavana tsy hay lazaina no itiavany azy. Izany no nanomezany antsika fahafahana hiasa ho Azy, ary ekeny ho mariky ny fitiavantsika Azy sy ny fahatokiantsika Aminy ny asa ataontsika. 
Apetrak'Andriamanitra eo anivon' ireo mahantra sy mijaly isika mba hizahana ny toetrantsika, hanehoana amintsika ny toe-pontsika. (...)

Mitaky fahafoizan-tena avy amintsika ny asa tsara, ary amin'izany indrindra no hahaizantsika mifehy tena. Mahatonga antsika hanohitra ireo fihetseham-po sy fironana ara-nofo ao amintsika izany adidy izany, ary raha tanteratsika, dia hahazoantsika fandresena miampy fandresena eo am-pitolomantsika amin'ireo toetra ratsintsika. 
Tsy izay ampianarina eny amin'ny polipitra loatra no handresy lahatra izao tontolo izao fa ny fiainan'ny fiangonana. Manambara ny foto-pampianaran'ny filazantsara ny mpitory teny, fa ny fahamasinana iainan'ny fiangonana kosa no maneho ny heriny. — HP, t. 324

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fampidirana.
Sun 07 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Tsy fahaiza-mitondra.
Mon 08 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fanompoan-tsampy sy ny faharatsiana.
Tue 09 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Efa nanao ratsy ny olonao.
Wed 10 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fahatezeran’Andriamanitra ara-drariny.
Thu 11 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Vavaka fanelanelalana
Fri 12 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fianarana fanampiny’
Sat 13 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana
Sun 31 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Ny boky sy ny rà.
Mon 01 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Mahita an’Andriamanitra.
Tue 02 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Hery ho enti-mankatò.
Wed 03 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Eo anivon’ny vahoakany.
Thu 04 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Feno ny Fanahin’Andriamanitra.
Fri 05 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fianarana fanampiny
Sat 06 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fampidirana.
Sun 14 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Ny trano-lay fihaonana.
Mon 15 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Mba hahalalako Anao.
Tue 16 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Mba ampahitao ny voninahitrao aho.
Wed 17 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Ny fanambaran’Andriamanitra momba ny tenany.
Thu 18 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Namirapiratra ny tavan’i Mosesy.
Fri 19 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (42)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal