Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Raha tonga anio I Kristy

Daty
Sabotsy 29 June 2024

 "Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery hianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan'ny Zanak'olona." - Lio. 21:36. 

Mofon’aina:
Mibaiko antsika mba hiambina i Kristy, mba ho isan'izay mendrika ny ho afaka amin'ireo toe-javatra ho tonga eto an-tany isika. Tena zava-dehibe indrindra ny hiheverantsika io fampitandremana io. Manjohy antsika ilay fahavalon'ny fahamarinana, manao izay itaomana antsika hanadino an'Andriamanitra. 
Tokony hameno fifaliana ny fontsika ny fisehoan'i Kristy tsy ho ela. Ho an'izay tia ny fisehoany dia ho tonga Izy, tsy manana ota, ary mitondra famonjena. Kanefa raha ny zavatry ny tany no mameno ny fisainantsika, dia tsy mba hiandrandra ny fisehoany amim-pifaliana isika. Misy manao hoe "Raha fantatro fa ho avy afaka taona vitsy i Kristy, dia ho hafa kokoa no nitondrako ny fiainako." Kanefa raha fantatsika fa tsy maintsy ho avy Izy, dia tokony hataontsika fotsiny izay hiainantsika amim-pahatokiana toy ny hoe ho avy afaka taona vitsy monja Izy. (...) Ity andro anio ity no fantatsika. Anio isika no tsy maintsy mahatoky amin' izay nankinina tamintsika. Anio no tsy maintsy itiavantsika an'Andriamanitra amin'ny fontsika rehetra sy itiavantsika ny namantsika tahaka ny tenantsika. Anio isika no tsy maintsy manohitra ny fakam-panahy alefan'ny fahavalo, ka mahazo fandresena amin'ny alalan'ny fahasoavan'i Kristy. Toy izany no hiambenantsika sy hiandrasantsika ny fiavian'i Kristy. Isan'andro' isika dia tokony hiaina toy ny hoe anio no andro farany iainantsika eto an-tany. Raha fantatsika fa ho avy rahampitso i Kristy (...) tsy hanao izay faraherintsika ve isika mba hanam-paharetana, ho tsara fanahy, ary hamonjy fanahy ho an'i Kristy? Mandrisika anao aho hampiala ny sainao -amin'ny zavatry ny tany ka hampifantoka izany kosa amin'ny zava-panahy mandrakizay. (...) Tsy tokony ho afa-po velively amin'ny zava-bitantsika ankehitriny isika. Raha manao ny ezaka rehetra isika hanatrarana ny idealin'Andriamanitra ho antsika, raha mangataka fanampiana amin'i Kristy Mpamonjy mahery isika, dia homeny antsika tokoa izay fanampiana tena ilaintsika. Homeny antsika ny hery hahatonga antsika ho mpandresy amin'ny ady ataontsika amin'ny ratsy. — HP, t. 355.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal