Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tafody an-trano indray!

Daty
Talata 02 July 2024

« Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy. Nefa samy amin’ny filaharany avy: Kristy no santatra; rehefa afaka izany, dia izay an’i Kristy amin’ny fihaviany. » 1 Kôr. 15:22,23

Mofon’aina:
Mivembena ny tany, mitsoriadriaka ny helatra, mirefodrefotra ny varatra, ary re ny feon’ny Zanak’Andriamanitra miantso ny olo-masina matory hifoha. (...) Eran’ny vazan-tany rehetra no handrenesan’ny maty io feo io, ary izay mandre dia ho velona. Koa dia ho re eran’ny tany ny fikatrokatroky ny tafika faran’izay lehibe avy amin’ny firenena rehetra, ny fokom-pirenena, ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra. (...)
Izay rehetra mivoaka ny fasana dia mitovy tsanganana tamin’ny fony izy ireo niditra tao am-pasana. I Adama izay mijoro miaraka amin’ny vahoaka nitsangana tamin’ny maty, dia ranjanana sy miendrik’andriana, nefa ho fohy kely kokoa noho ny Zanak’Andriamanitra. Manaitra ny fahasamihafany amin’ny olona amin’ny taranaka aty aoriana; ary izany dia ahitana ny fitotonganana lehibe teo amin’ny taranaka. Nefa samy mitsangana amin’ny hery sy ny tanjaky ny fahatanorana mandrakizay izy rehetra. (...)
Navela tao am-pasana ny kilema sy ny sampontsampona rehetra. Tafaverina eo amin’ny hazon’aina tao amin’i Edena efa very ela ireo navotana ka “hitombo"(Mal. 3:20), hanana bika aman'endrika feno teo amin’ny voninahiny tany am-boalohany. (...)
Rehefa raisina eo amin’ny tanànan’ Andriamanitra ny voavotra, dia manakoako manerana ny lanitra ny antsom-piderana feno hafaliana. Efa madiva hihaona ireo Adama roa. Mijoro ny Zanak’Andriamanitra, manatsotra ny tanany handray ny rain’ny taranak’olombelona – ilay nohariany nefa nanota tamin’ny Mpanao Azy, ary noho ny fahotana nataony no nitondran’ny tenan’ny Mpamonjy ny holatry ny nanomboana Azy tamin’ny hazo fijaliana. Rehefa hitan’i Adama ny marika navelan’ireo fantsika lozabe, dia tsy hiantoraka eo an-tratran’ny Tompony izy, fa hietry ka hiankohoka eo an-tongony, manao hoe: “Mendrika, mendrika ny Zanak’ondry izay voavono!” Hatsangan’ny Mpamonjy amim-pitiavana izy ary asainy mibanjina indray ilay fonenany tao Edena izay nilaozany nandritra ny fotoana elabe. (...)
Manatri-maso io fivoriana io ny anjely izay nitomany tamin’ny nahalavoan’i Adama ary niravoravo rehefa niakatra ho any an-danitra i Jesosy, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, ka nanokatra ny fasana ho an’izay rehetra mino ny anarany. Izao izy ireo dia mibanjina ny asa fanavotana efa vita, ka mampiray ny feony amin’ny hiram-piderana. – CC, t. 23.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal