Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miaramila betsaka loatra

Daty
Zoma 12 July 2024

« Ary hoy Jehôvah tamin’i Gideôna: Maro loatra ny vahoaka eo aminao, ka tsy hanolotra ny Midiana eo an-tànany Aho, fandrao hirehareha amiko ny Isiraely ka hanao hoe: Ny tanako ihany no namonjy ahy. »Mpits. 7:2. 

Mofon’aina:   
Natao lalàna teo amin’ny lsiraely fa mialoha ny hirotsahan’izy ireo an’ady dia tokony hatao amin’ny tafika izao fanambarana izao: “Iza no olona izay efa nanao trano vaovao, nefa tsy mbola notokanany? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any am in’ny ady, ka olon-kafa no hitokana ny tranony. Ary iza no olona efa nanao tanim-boaloboka nefa tsy mbola nihinana ny vokatra? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin’ny ady, ka olon-kafa no hihinana ny vokatra. Ary iza no olona (...).” Ary mbola hiteny amin’ny olona ihany ny mpifehy azy ka hanao hoe: “Iza no olona izay matahotra ka osa fo? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao ho ketraka tahaka ny fony koa ny fon ’ny rahalahiny” – Deo. 20:5-8.

Satria vitsy monja izy ireo raha mitaha amin’ny isan’ny fahavalo, dia tsy nataon’i Gideôna ilay fanambarana mahazatra. Gaga dia gaga izy raha nilazana avy eo fa lehibe loatra ny tafiny. Ny Tompo anefa dia nahita ny avonavona sy ny tsy finoana nisy tao am-pon’ny vahoakany. Taitra izy ireo noho ny antso mampihetsi-po nataon’i Gideôna ka dia samy nirotsaka tao amin’ny tafika avy hatrany; kanefa maro tamin’izy ireo no feno tahotra rehefa nahita ny habetsaky ny Midianina. Raha handresy eo aza anefa ny lsiraely, dia ireo indrindra no haka ny voninahitra ho an’ny tenany ka tsy mba hanaiky fa an’Andriamanitra ny fandresena.

Nankatò ny toro-lalana avy amin’ny Tompo i Gideôna, ary tamin’ny alahelo lehibe no nahitany roa arivo lahy, izany hoe mihoatra ny roa tokony amin’ny tafiny, niverina nody any an-tranony avy.

Te hanao zavatra lehibe ho antsika ny Tompo. Tsy ny hamaroantsika no hahazoantsika ny fandresena, fa amin’ny alalan’ny fanolorantsika ny fanahintsika ho an’i Jesôsy. Tokony handroso amin’ny heriny isika, sady mitoky amin’Ilay Andriamanitr’Isiraely mahefa ny zavatra rehetra. Misy lesona ho antsika ao amin’ny tantaran’ny tafik’i Gideôna (...) Ankehitriny, irin’Andriamanitra koa ny hiasa amin’ny alalan’ny ezaky ny olombelona, ary ny hanatanteraka zavatra lehibe amin’ny alalan’ny fitaovana marefo. – CC, t. 127.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal