Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miaramila betsaka loatra

Daty
Zoma 12 July 2024

« Ary hoy Jehôvah tamin’i Gideôna: Maro loatra ny vahoaka eo aminao, ka tsy hanolotra ny Midiana eo an-tànany Aho, fandrao hirehareha amiko ny Isiraely ka hanao hoe: Ny tanako ihany no namonjy ahy. »Mpits. 7:2. 

Mofon’aina:   
Natao lalàna teo amin’ny lsiraely fa mialoha ny hirotsahan’izy ireo an’ady dia tokony hatao amin’ny tafika izao fanambarana izao: “Iza no olona izay efa nanao trano vaovao, nefa tsy mbola notokanany? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any am in’ny ady, ka olon-kafa no hitokana ny tranony. Ary iza no olona efa nanao tanim-boaloboka nefa tsy mbola nihinana ny vokatra? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin’ny ady, ka olon-kafa no hihinana ny vokatra. Ary iza no olona (...).” Ary mbola hiteny amin’ny olona ihany ny mpifehy azy ka hanao hoe: “Iza no olona izay matahotra ka osa fo? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao ho ketraka tahaka ny fony koa ny fon ’ny rahalahiny” – Deo. 20:5-8.

Satria vitsy monja izy ireo raha mitaha amin’ny isan’ny fahavalo, dia tsy nataon’i Gideôna ilay fanambarana mahazatra. Gaga dia gaga izy raha nilazana avy eo fa lehibe loatra ny tafiny. Ny Tompo anefa dia nahita ny avonavona sy ny tsy finoana nisy tao am-pon’ny vahoakany. Taitra izy ireo noho ny antso mampihetsi-po nataon’i Gideôna ka dia samy nirotsaka tao amin’ny tafika avy hatrany; kanefa maro tamin’izy ireo no feno tahotra rehefa nahita ny habetsaky ny Midianina. Raha handresy eo aza anefa ny lsiraely, dia ireo indrindra no haka ny voninahitra ho an’ny tenany ka tsy mba hanaiky fa an’Andriamanitra ny fandresena.

Nankatò ny toro-lalana avy amin’ny Tompo i Gideôna, ary tamin’ny alahelo lehibe no nahitany roa arivo lahy, izany hoe mihoatra ny roa tokony amin’ny tafiny, niverina nody any an-tranony avy.

Te hanao zavatra lehibe ho antsika ny Tompo. Tsy ny hamaroantsika no hahazoantsika ny fandresena, fa amin’ny alalan’ny fanolorantsika ny fanahintsika ho an’i Jesôsy. Tokony handroso amin’ny heriny isika, sady mitoky amin’Ilay Andriamanitr’Isiraely mahefa ny zavatra rehetra. Misy lesona ho antsika ao amin’ny tantaran’ny tafik’i Gideôna (...) Ankehitriny, irin’Andriamanitra koa ny hiasa amin’ny alalan’ny ezaky ny olombelona, ary ny hanatanteraka zavatra lehibe amin’ny alalan’ny fitaovana marefo. – CC, t. 127.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana
Sun 31 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Ny boky sy ny rà.
Mon 01 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Mahita an’Andriamanitra.
Tue 02 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Hery ho enti-mankatò.
Wed 03 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Eo anivon’ny vahoakany.
Thu 04 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Feno ny Fanahin’Andriamanitra.
Fri 05 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal