Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tara fifohazana

Daty
Talata 16 July 2024

"Kanefa nitodika aho nandinika ny asa rehetra nataon'ny tanako sy ny fisasarana izay nisasarako, ka, indreo, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany, fa tsy nisy nahasoa taty" ambanin’ny masoandro." — Mpitt. 2:11. 

Mofon’aina:   
Nanao fanandramana mampalahelo tamin'ny zavatra tsinontsinona i Sôlômôna, ka niafara tamin'ny fametrahana ny faniriana ambony indrindra tamin'ny zavatry ny tany izany. Tsy nitsahatra nampahatsiaro azy ireo alitaran'andriamanitra sampy fa fitaka ihany 
ny fiadanan-tsaina ampanantenain'ireo andriamani-tsy izy ireo. Nampahory azy andro aman'alina tamin'izay ireo fisainana mampalahelo sy manangoly azy. Tsy nisy fifaliana na fiadanan-tsaina ho azy intsony; toa nihamaizina sy nampamoifo azy ny ho avy. 

Tsy nanadino azy anefa ny Tompo. Niezaka hampahalala ny mpanjaka ny voka-dratsin'ny fitondran-tena ao amin'ny fahotana tamin'ny fananarana mafy azy izy. Nesoriny taminy ny fiarovany ka navela hamely matetika sy handemy ny fanjakany ny fahavalony. "Ary Jehôvah nanangana fahavalo hanohitra an'i Soloman a, dia Hadada Edomita (...) Ary Andriamanitra nanangana fahavalo koa hanohitra an 'i Solomona dia Rezona (...) kapitenin’ny olona maro izay nankahala ny Isiraely any nanjaka tany Syria. Ary Jeroboama koa, mpanompon'i Solomona,(..) mahay (matanjaka sady be herim-po) dia nanainga tànana hikomy tamin'ny mpanjaka. (1 Mpanj. 11)(...) 

Toy ny olona avy nosintonina tao amin'ny nofiny i Solomona tamin'ny fandrenesana izany didim-pitsarana nanameloka azy mbamin'ny taranany izany, ka nirongatra tampoka ny feon'ny fieritreretany ary nanomboka nahatsapa ny fahadalana vitany izy. Rehefa nahatsiaro saina sy torovana vatana amam-panahy izy, dia niala tamin'ny fanangonan-drano mitriatriatran'izao tontolo izao, mba hanala hetaheta indray amin’Ilay loharanon'aina... 

Tsy afaka nanantena ny handositra an'ireo vokatra mamohehatra avy amin'ny fahotana izy, na hanafaka ny sainy tamin'ny fahatsiarovana ny fitondran-tena ratsy nataony; nefa niezaka izy mba hitaona ny hafa tsy hanaraka ny fahadalany. Niaiky tamim-panetren-tena ny hadisoany tamin'ny lasa izy, ary nampitandrina ny namany mba tsy ho very tsy azom-panafana noho ny ohatra ratsy nomeny azy ireo.

Izay mibebaka marina dia tsy manadino ny fiainany tamin'ny lasa raha vantany vao mahazo famelana ny fahadisoany. Mahatsiaro ireo notaomin'ny fitondran-tena ratsy nataony tamin'ny faharatsiana izy, ka miezaka amin'ny fomba rehetra azo atao mba hamerina azy ireny indray amin'ny lala-mahitsy. Arakaraka ny famirapiratry ny fahazavana noraisiny no hampahatanjaka ny faniriany hitarika ny namany ao amin'ny lalana marina. — CC, t. 196. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (34)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal