Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Eta novonjen'i Jehôvah isika hatramin’izao

Daty
Alarobia 31 July 2024

"Midera an'i Jehôvah , miantsoa ny anarany; ataovy fantatra any amin'ny firenena ny asany. Mihira ho Azy, mankalaza Azy; saintsaino ny fahagagana rehetra ataony." – Sal. 105:1,2. 

Mofon’aina:
Tokony haverimberina mandrakariva ny fifandraisan' Andriamanitra amin'ny olony. Matetika manao ahoana ireo mari-dalana napetraky ny Tompo tamin'ny fifandraisany tamin'ny Isiraely fahiny! Mba tsy hanadinoan'izy ireo ny tantara lasa, dia nandidy an'i Mosesy Izy mba handrakitra ireny toe-javatra ireny amin'ny endrika hira, izay azon'ny ray aman-dreny hampianarina ny zanany. Nasaina nanambatra fahatsiarovana izy ireny, ka hametraka izany ho talaky maso mandrakariva. Nisy fahasahiranana manokana tsy maintsy niaretana mba hitahirizana azy ireny, ka rehefa hanadihady momba ireo zavatra ireo ny ankizy, dia ho azo averina amin'izy ireo ny tantara iray manontolo.

Tahaka izany no nitadidiana mandrakariva ny fitondran'Andriamanitra sy ny fahatsarany ary ny famindrampony teo amin'ny fikarakarany sy ny fanafahany ny olony. Koa asaina isika mba hahatsiaro "ny andro fahiny izay naharetanareo ny ady mafy tamin'ny fahoriana, rehefa nohazavaina hianareo" – Heb. 10:32. Niasa tahaka ny Andriamanitra mpanao asa mahagaga ho an'ny olony amin'izao taranaka ankehitriny izao ny Tompo. ( ...) Ilaintsika mandrakariva ny mitantara ny fahatsaran'Andriamanitra sy ny midera Azy noho ny asa mahagaga ataony.

Koa dia aoka tsy hanary ny fahatokiantsika isika, fa aoka hanana toky miorina mafy, eny, mafy noho ny taloha aza. "Efa novonjen'i Jehôvah isika hatramin'izao" – 1 Sam. 7:12, ary hamonjy antsika hatramin'ny farany Izy. Aoka isika hijery ny tsangambato fampahatsiarovana ny amin'izay efa nataon'ny Tompo hampahery antsika sy hamonjy antsika tamin'ny tanan'ny mpandringana. Aoka hotsarovantsika ny famindrampo rehetra izay efa nasehon'Andriarnanitra tamintsika — ny ranomaso izay efa nofaohiny, ny fahoriana izay efa nampiononiny, ny fanahiana izay efa nesoriny, ny tahotra izay efa nalany, ny nilaina izay efa nomeny, ny fitahiana izay efa azo (...)

 Tsy isalasalana fa tsy maintsy manampo fahoriana hafa koa isika, ao amin'ny zava-tsarotra izay hitranga tsy ho ela intsony. Nefa izay hitantsika tamin'ny lasa, no aoka ho toky ho antsika amin'ny ho avy ka hanao hoe: "Efa novonjen’i Jehovah isika hatramin 'izao. " "Ary hifamatra amin'ny andronao ny fiadananao" – Deo. 33:25. Ny fizahan-toetra dia tsy hihoatra ny hery izay homena antsika hanoherana azy. Koa dia aoka isika hiasa eo amin'izay nametrahan'ny Tompo antsika, ary hino fa na inona na inona mihatra, dia hisy hery homena antsika arakaraka ny fizahan-toetra. – CC, t. 364. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (34)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal