Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Eta novonjen'i Jehôvah isika hatramin’izao

Daty
Alarobia 31 July 2024

"Midera an'i Jehôvah , miantsoa ny anarany; ataovy fantatra any amin'ny firenena ny asany. Mihira ho Azy, mankalaza Azy; saintsaino ny fahagagana rehetra ataony." – Sal. 105:1,2. 

Mofon’aina:
Tokony haverimberina mandrakariva ny fifandraisan' Andriamanitra amin'ny olony. Matetika manao ahoana ireo mari-dalana napetraky ny Tompo tamin'ny fifandraisany tamin'ny Isiraely fahiny! Mba tsy hanadinoan'izy ireo ny tantara lasa, dia nandidy an'i Mosesy Izy mba handrakitra ireny toe-javatra ireny amin'ny endrika hira, izay azon'ny ray aman-dreny hampianarina ny zanany. Nasaina nanambatra fahatsiarovana izy ireny, ka hametraka izany ho talaky maso mandrakariva. Nisy fahasahiranana manokana tsy maintsy niaretana mba hitahirizana azy ireny, ka rehefa hanadihady momba ireo zavatra ireo ny ankizy, dia ho azo averina amin'izy ireo ny tantara iray manontolo.

Tahaka izany no nitadidiana mandrakariva ny fitondran'Andriamanitra sy ny fahatsarany ary ny famindrampony teo amin'ny fikarakarany sy ny fanafahany ny olony. Koa asaina isika mba hahatsiaro "ny andro fahiny izay naharetanareo ny ady mafy tamin'ny fahoriana, rehefa nohazavaina hianareo" – Heb. 10:32. Niasa tahaka ny Andriamanitra mpanao asa mahagaga ho an'ny olony amin'izao taranaka ankehitriny izao ny Tompo. ( ...) Ilaintsika mandrakariva ny mitantara ny fahatsaran'Andriamanitra sy ny midera Azy noho ny asa mahagaga ataony.

Koa dia aoka tsy hanary ny fahatokiantsika isika, fa aoka hanana toky miorina mafy, eny, mafy noho ny taloha aza. "Efa novonjen'i Jehôvah isika hatramin'izao" – 1 Sam. 7:12, ary hamonjy antsika hatramin'ny farany Izy. Aoka isika hijery ny tsangambato fampahatsiarovana ny amin'izay efa nataon'ny Tompo hampahery antsika sy hamonjy antsika tamin'ny tanan'ny mpandringana. Aoka hotsarovantsika ny famindrampo rehetra izay efa nasehon'Andriarnanitra tamintsika — ny ranomaso izay efa nofaohiny, ny fahoriana izay efa nampiononiny, ny fanahiana izay efa nesoriny, ny tahotra izay efa nalany, ny nilaina izay efa nomeny, ny fitahiana izay efa azo (...)

 Tsy isalasalana fa tsy maintsy manampo fahoriana hafa koa isika, ao amin'ny zava-tsarotra izay hitranga tsy ho ela intsony. Nefa izay hitantsika tamin'ny lasa, no aoka ho toky ho antsika amin'ny ho avy ka hanao hoe: "Efa novonjen’i Jehovah isika hatramin 'izao. " "Ary hifamatra amin'ny andronao ny fiadananao" – Deo. 33:25. Ny fizahan-toetra dia tsy hihoatra ny hery izay homena antsika hanoherana azy. Koa dia aoka isika hiasa eo amin'izay nametrahan'ny Tompo antsika, ary hino fa na inona na inona mihatra, dia hisy hery homena antsika arakaraka ny fizahan-toetra. – CC, t. 364. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal