Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fitafian'ny mpanjaka

Daty
Sabotsy 03 August 2024

"Ary nasaina nitafy rongony fotsy madinika sady madio no mangatsakatsaka izy; fa izany rongony fotsy madinika izany dia ny asa marina ataon'ny olona masina." — Apôk. 19:8. 

Mofon’aina:
Lesona manan-danja lehibe no omena antsika ao amin'ilay fanoharana momba ny fitafiana fitondra amin'ny fanasana fampakaram-bady (Mat. 22:1-14). (...) Io fitafiana io dia mampiseho ny toetra madio sy tsy misy pentina tokony hananan'ny tena mpanaraka marina an'i Kristy. (...) Izany rongony fotsy madinika izany dia "ny asa marina ataon'ny olona masina", na amin'ny dikan-teny hafa, "ny fahamarinan'ny olona masina", hoy ny Soratra Masina. Fahamarinan'i Kristy io, toetrany tsy misy pentina izay zaraina amin'ny alalan'ny finoana ho an'izay rehetra mandray Azy ho Mpamonjin'ny tenany manokana. 

Notafian'ny ray aman-drenintsika voalohany ny akanjo fotsin'ny tsy fananan-tsiny fony izy ireo napetrak'Andriamanitra tao Edena masina.Nifandrindra tanteraka tamin'ny sitrapon'Andriamanitra ny fiainany (...). Fahazavana malefaka tsara tarehy, dia ny fahazavan'Andriamanitra, no nanarona ireo mpivady masina. (...) Nefa rehefa tafiditra ny fahotana, dia nanapaka ny fifandraisany tamin'Andriamanitra izy, ka niezaka ny hanolo ilay fitafian'ny lanitra tamin'ny fanjairany ravin'aviavy ho fanaronana ny fitanjahany sy ny fahamenarany. 

Tsy haintsika ny mampitafy ny tenantsika amin'ny akanjom-pahamarinana. Hoy mantsy ny mpaminany: "tahaka ny lamba mihosin-drà ny fahamarinanay rehetra" — Isa. 64:6. Tsy misy na inona na inona ao anatintsika azontsika anafiana ny fanahintsika mba tsy hitanjaka. Ilay akanjom-pahamarinana voatenona avy any an-danitra no tsy maintsy raisintsika, dia ilay fitafiana tsy misy pentin'ny fahamarinan'i Kristy.

Efa nomen'Andriamanitra izay ilaintsika rehetra mba hahatonga antsika hijoro ao amin'ny fahasoavany, ary tsy hanan-java-mahory eo am-piandrasana ny fisehoan'ilay Tompontsika. Vonona ve ianao? Efa mitafy ilay akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady ve ianao? Tsy mba hanarona ny fitaka, ny loto, ny fahalovana na ny fihatsarambelatsihy izany akanjo izany. (...) Mety hanafina ny fahotantsika tsy ho hitan'ny olona isika, saingy tsy afaka hanafina na inona na inona amin'Ilay Mpanao antsika.

 Aoka ny tanora sy ny ankizy madinika hampianarina (...). Io fitafiana io, izay ny toetran'i Kristy tsy misy pentina, dia atolotra maimaimpoana ho an'ny olona rehetra, ka izay mandray izany dia handray sy hitafy izany dieny ety. — GAG, t. 24.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal