Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fitafian'ny mpanjaka

Daty
Sabotsy 03 August 2024

"Ary nasaina nitafy rongony fotsy madinika sady madio no mangatsakatsaka izy; fa izany rongony fotsy madinika izany dia ny asa marina ataon'ny olona masina." — Apôk. 19:8. 

Mofon’aina:
Lesona manan-danja lehibe no omena antsika ao amin'ilay fanoharana momba ny fitafiana fitondra amin'ny fanasana fampakaram-bady (Mat. 22:1-14). (...) Io fitafiana io dia mampiseho ny toetra madio sy tsy misy pentina tokony hananan'ny tena mpanaraka marina an'i Kristy. (...) Izany rongony fotsy madinika izany dia "ny asa marina ataon'ny olona masina", na amin'ny dikan-teny hafa, "ny fahamarinan'ny olona masina", hoy ny Soratra Masina. Fahamarinan'i Kristy io, toetrany tsy misy pentina izay zaraina amin'ny alalan'ny finoana ho an'izay rehetra mandray Azy ho Mpamonjin'ny tenany manokana. 

Notafian'ny ray aman-drenintsika voalohany ny akanjo fotsin'ny tsy fananan-tsiny fony izy ireo napetrak'Andriamanitra tao Edena masina.Nifandrindra tanteraka tamin'ny sitrapon'Andriamanitra ny fiainany (...). Fahazavana malefaka tsara tarehy, dia ny fahazavan'Andriamanitra, no nanarona ireo mpivady masina. (...) Nefa rehefa tafiditra ny fahotana, dia nanapaka ny fifandraisany tamin'Andriamanitra izy, ka niezaka ny hanolo ilay fitafian'ny lanitra tamin'ny fanjairany ravin'aviavy ho fanaronana ny fitanjahany sy ny fahamenarany. 

Tsy haintsika ny mampitafy ny tenantsika amin'ny akanjom-pahamarinana. Hoy mantsy ny mpaminany: "tahaka ny lamba mihosin-drà ny fahamarinanay rehetra" — Isa. 64:6. Tsy misy na inona na inona ao anatintsika azontsika anafiana ny fanahintsika mba tsy hitanjaka. Ilay akanjom-pahamarinana voatenona avy any an-danitra no tsy maintsy raisintsika, dia ilay fitafiana tsy misy pentin'ny fahamarinan'i Kristy.

Efa nomen'Andriamanitra izay ilaintsika rehetra mba hahatonga antsika hijoro ao amin'ny fahasoavany, ary tsy hanan-java-mahory eo am-piandrasana ny fisehoan'ilay Tompontsika. Vonona ve ianao? Efa mitafy ilay akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady ve ianao? Tsy mba hanarona ny fitaka, ny loto, ny fahalovana na ny fihatsarambelatsihy izany akanjo izany. (...) Mety hanafina ny fahotantsika tsy ho hitan'ny olona isika, saingy tsy afaka hanafina na inona na inona amin'Ilay Mpanao antsika.

 Aoka ny tanora sy ny ankizy madinika hampianarina (...). Io fitafiana io, izay ny toetran'i Kristy tsy misy pentina, dia atolotra maimaimpoana ho an'ny olona rehetra, ka izay mandray izany dia handray sy hitafy izany dieny ety. — GAG, t. 24.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal