Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fitahiana avy amin'ny fankatoavana.

Daty
Talata 06 August 2024

"Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalanao no ato anatiko." Sal. 40:8. 

Mofon’aina:
Manao ahoana loatra izao Andriamanitsika izao! Tananany amim-pahendrena sy fitandremana ny fanjakany, ary nanamboatra fefy manodidina ny olony Izy, dia ny Didy folo, ho fiarovana azy ireo amin'ny vokatry ny fandikan-dalàna. Takiny ny hankatoavan'ny olona ny lalàn'ny fanjakany, fa amin'izany no anomezany azy harena, fahasambarana, fiadanana, ary fifaliana. Mampianatra azy ireo Izy fa ny fifankazarana amin'ny Teniny ihany no hahatrarany ny fahatanterahan-toetra izay takiny.

Izay mikatsaka marina ny ho tahaka an'i Jesôsy, eo amin'ny fiteny sy ny fiainana ary ny toetra, no hahita Azy, ka hovana ho araka ny endriny amin'ny alalan'ny fibanjinana Azy. Iriny fatratra sy trotroiny amim-bavaka mantsy ny hanana ny fomba sy ny saina izay tao amin'i Kristy Jesôsy. (...) Mangetaheta an'Andriamanitra izy. Manjary midika zava-dehibe ho azy ny tantaran'ny Mpanavotra azy sy ny sorona tsy misy fetra nataony. Tonga mahantra Ilay Mpanjakan'ny lanitra mba hampanan-karena antsika ny fahantrany, tsy hanan-karena fahaizana fotsiny isika fa hahavita zava-dehibe maro koa.

Ireo dia harena izay tian'i Kristy tokoa mba hananan'ireo mpanara-dia Azy. Rehefa mamaky ny Tenin' Andriamanitra ny mpikatsaka marina ny fahamarinana ka manokatra ny sainy handray ny Teny, dia haniry fatratra ny fahamarinana amin'ny fony manontolo. Manjary hetahetan'ny fanahiny ny hanam-pitiavana, fangorahana, fahamoram-panahy, fanajana, ary fahalalam-pomba kristianina, izay toetra mampiavaka ilay fonenana any an-danitra amboarin'i Kristy ho an' ireo izay tia Azy. Tsy azo hozongozonina izy amin'ny fanatrarana ny tanjony. Tapa-kevitra hiandany amin'ny fahamarinana izy. Nahita lalana hidirana ao am-po ny fahamarinana ka mamaka ao noho ny asan'ny Fanahy Masina, Izay fahamarinana. Rehefa fehezin'ny fahamarinana ny fo dia hita mazava izany amin'ny fahatongavan'ilay olona ho mpitandrina tsara ny fahasoavan'i Kristy.

 Manana ny andraikiny manokana ny mpitandrina tsirairay ho fampandrosoana ny fanjakan ' Andriamanitra. (...) Natao hampitomboina ho voninahitr' Andriamanitra sy hanohanana ny fanjakany ny talentan' ny fiteny, ny fitadidiana, ny hery miasa mangina, ary ny fananana. Hotahiny ny fampiasana araka ny tokony ho izy ireo fanomezam-pahasoavana avy Aminy. —GAG, t. 61. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (48)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal