Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mba ho eo amin’Andriamanitra isika

Daty
Zoma 09 August 2024

"(...) Fitiavana mandritra ny fotoana tsy voafetra no itiavako anao. Izany no antony nisarihako anao, ka ny hatsaram-panahiko feno fitiavana no nentiko nanintonana anao." — Jer. 31:3 (DIEM). 

Mofon’aina:
Notafian'ny Tompon'ny aina sy ny voninahitra tamin'ny maha-olombelona ny maha-Andriamanitra Azy mba hanehoana amin'ny olona fa to hampifandray antsika Aminy Andriamanitra amin'ny alalan'ny fanomezany an'i Kristy. Tsy mety hisy fahasambarana raha tsy misy fifandraisana amin'Andriamanitra. Natao ho fantatry ny olombelona lavo fa tsy afa-po ny Raintsika any an-danitra raha tsy manatratra ny mpanota mibebaka ny fitiavany, izay manova azy amin'ny alalan'ny fahamendrehan'Ilay Zanak'ondrin'Andriamanitra tsy misy kilema. 

Ho amin'izany tanjona izany ny asan'ireo anjelin'ny lanitra. Natao hiasa hanatanteraka ny baikon'Ilay Lehibeny izy ireo, hitady ny very, dia ireo izay tafasaraka tamin'Andriamanitra noho ny fandikan-dalàna. Nisy drafitra novolavolaina mba ho hitan'izao tontolo izao ny fahasoavana sy ny fitiavana mahagagan'i Kristy. Tao amin'ny vidiny tsy manam-petra naloan'ny Zanak'Andriamanitra ho fanavotana ny olona no nisehoan'ny fitiavan'Andriamanitra. Ampy hamonjena izao tontolo izao manontolo io drafi-panavotana be voninahitra io. Azo atao ho tanteraka ao amin'i Jesosy Kristy ny olona mpanota sy lavo amin'ny alalan'ny famelana ny helony sy ny fanisana ho azy ny fahamarinan'i Kristy. 

Tamin'ireo asa soa rehetra nataon'i Jesosy dia nezahiny ny hampahafantatra antsika ny toetran'ny Ray miahy sy mikarakara ny zanany. (...) Tian'i Jesosy ho takatsika ny fitiavan'ny Ray ary amin'ny fahasoavan'ny maha-Raintsika Azy no isarihany antsika ho eo Aminy. (...)

Tonga haneho ny fitiavan' Andriamanitra amin'izao tontolo i Kristy mba hitaomany ny fon'ny olona rehetra ho Aminy. (...) Ny dingana voalohany mankamin'ny famonjena dia ny famaliana ny fitiavan'i Kristy misarika antsika. (...) Ny mba hahafantaran'ny olona ny fifalian'ny famelan-keloka sy ny fiadanan'Andriamanitra no isarihan'i Kristy azy ireo amin'ny fanehoam-pitiavany toy izany. Raha manaiky hotaominy izy ireo ka manolotra ny fony hiasan'ny fahasoavany, dia hitarika azy ireo tsikelikely ho amin'ny fahalalana Azy amin'ny fahafenoany i Kristy, ary izany no fiainana mandrakizay. — GAG, t. 99.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal