Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fepetra ao anatin’ny fanekena

Daty
Sabotsy 10 August 2024

Fepetra ao anatin'ny fanekena "Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa hianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra hianareo; fa Ahy ny tany rehetra. " — Eks. 19:5. 

Mofon’aina:
Tamin'ny voalohany dia nomen' Andriamanitra ny taranak' olombelona ny lalany ho fomba hahazoan'izy ireo fahasambarana sy fiainana mandrakizay.

 Ny Didy folo dia teny fikasana folo izay hotanterahina amintsika raha ankatoavintsika ny lalana mifehy izao rehetra izao. "Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko. " — Jao. 14:15. Voafintina eto ny votoatin'ny lalan'Andriamanitra. Asongadina eto ny fomba amonjena ny zanakalahy sy ny zanakavavin'i Adama rehetra. (...) 

Hita ao amin'ny Didy folo ny fitiavana lehibe indrindra azo aseho amin'ny olona. Feon'Andriamanitra avy any an-danitra izany lalana izany, feo izay manambara teny fikasana amin'ny fanahin'ny olona. "Ataovy izany, dia tsy hanapaka na hifehy anareo i Satana". Tsy fandrarana izany lalana izany, na dia mety ho toy izany aza no fijery azy. Ny ambaran'ny lalana dia hoe ATAOVY, dia ho VELONA ianao. 

Ny ilaina ankehitriny hahazoana ny fiainana mandrakizay dia sahala amin'ny ta1oha ihany - mitovy indrindra amin'ny tany am-Paradisa, raha tsy mbola lavo ireo ray aman-drenintsika voalohany - dia ny fankatoavana tanteraka ny lalan'Andriamanitra, ny fahamarinana tanteraka. Ary raha latsaka noho izany no ahazoana ny fiainana mandrakizay, dia hidiran-doza ny fahasambaran'izao rehetra izao. Hivoha ny lalana hidiran'ny ota mbamin'ny loza sy ny fahoriana manaraka azy, izay hanjary tsy ho azo vonoina mandrakizay. 
Tsy nampihen-danja ny fitakian'ny lalana i Kristy. Tamin'ny fomba tsy misy diso no nanehoany ny fankatoavana izany lalana izany amin'ny maha-fepetra ahazoana ny fiainana mandrakizay azy — tahaka ny fepetra notakina tamin'i Adama sy Eva koa talohan'ny fahalavoany (...).

 Mitovy ny fenitra ara-pitondran-tena aseho ao amin'ny TT sy ny TV. Tsy fenitra tsy hay tratrarina tsy akory izany fenitra izany. Ao amin'ny didy na baiko tsirairay omen'Andriamanitra dia misy teny fikasana tsara indrindra. Efa nataon'Andriamanitra ny fomba rehetra mba hahatonga antsika ho tahaka Azy, ary hotanterahiny ho an' izay rehetra tsy manohitra ny fahasoavany amin'ny alalan'ny sitrapo ratsy izany. — GAG, t. 134. 

 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal