Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fepetra ao anatin’ny fanekena

Daty
Sabotsy 10 August 2024

Fepetra ao anatin'ny fanekena "Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa hianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra hianareo; fa Ahy ny tany rehetra. " — Eks. 19:5. 

Mofon’aina:
Tamin'ny voalohany dia nomen' Andriamanitra ny taranak' olombelona ny lalany ho fomba hahazoan'izy ireo fahasambarana sy fiainana mandrakizay.

 Ny Didy folo dia teny fikasana folo izay hotanterahina amintsika raha ankatoavintsika ny lalana mifehy izao rehetra izao. "Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko. " — Jao. 14:15. Voafintina eto ny votoatin'ny lalan'Andriamanitra. Asongadina eto ny fomba amonjena ny zanakalahy sy ny zanakavavin'i Adama rehetra. (...) 

Hita ao amin'ny Didy folo ny fitiavana lehibe indrindra azo aseho amin'ny olona. Feon'Andriamanitra avy any an-danitra izany lalana izany, feo izay manambara teny fikasana amin'ny fanahin'ny olona. "Ataovy izany, dia tsy hanapaka na hifehy anareo i Satana". Tsy fandrarana izany lalana izany, na dia mety ho toy izany aza no fijery azy. Ny ambaran'ny lalana dia hoe ATAOVY, dia ho VELONA ianao. 

Ny ilaina ankehitriny hahazoana ny fiainana mandrakizay dia sahala amin'ny ta1oha ihany - mitovy indrindra amin'ny tany am-Paradisa, raha tsy mbola lavo ireo ray aman-drenintsika voalohany - dia ny fankatoavana tanteraka ny lalan'Andriamanitra, ny fahamarinana tanteraka. Ary raha latsaka noho izany no ahazoana ny fiainana mandrakizay, dia hidiran-doza ny fahasambaran'izao rehetra izao. Hivoha ny lalana hidiran'ny ota mbamin'ny loza sy ny fahoriana manaraka azy, izay hanjary tsy ho azo vonoina mandrakizay. 
Tsy nampihen-danja ny fitakian'ny lalana i Kristy. Tamin'ny fomba tsy misy diso no nanehoany ny fankatoavana izany lalana izany amin'ny maha-fepetra ahazoana ny fiainana mandrakizay azy — tahaka ny fepetra notakina tamin'i Adama sy Eva koa talohan'ny fahalavoany (...).

 Mitovy ny fenitra ara-pitondran-tena aseho ao amin'ny TT sy ny TV. Tsy fenitra tsy hay tratrarina tsy akory izany fenitra izany. Ao amin'ny didy na baiko tsirairay omen'Andriamanitra dia misy teny fikasana tsara indrindra. Efa nataon'Andriamanitra ny fomba rehetra mba hahatonga antsika ho tahaka Azy, ary hotanterahiny ho an' izay rehetra tsy manohitra ny fahasoavany amin'ny alalan'ny sitrapo ratsy izany. — GAG, t. 134. 

 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.
Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (8)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal