Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Voasoratra ao am-po

Daty
Alahady 11 August 2024

 "(...) Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalako sady hosoratako ao am-pony; (..) fa havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany." — Jer. 31:33,34. 

Mofon’aina:
Ireo lalàna nosoratana teo amin'ny vato fisaka ihany no nosoratan'ny Fanahy Masina teo amin'ny vato fisaky ny fontsika. Aoka tsy hitady izay hanorenana ny fahamarinan'ny tenantsika isika fa hanaiky kosa ny fahamatinan'i Kristy. Manafaka ny fahotantsika ny rany, ary isaina ho antsika ny fankatoavany, ka hamoa ny "vokatry ny Fanahy" ny fontsika efa nohavaozin'ny Fanahy Masina. Hiaina amim-pankatoavana ny lalan'Andriamanitra voasoratra ao am-pontsika isika noho ny fahasoavan'Andriamanitra. (...) 

Misy fahadisoana anankiroa tokony hotandreman'ny zanak'Andriamanitra manokana, indrindra fa ireo zazavao amin'ny finoana. Ny voalohany, (...) dia ny fijerena ny asan'ny tena, ka mitoky amin'ny zavatra azon'ny tena atao mba hifandrindrana amin'ny sitrapon'Andriamanitra. Izay miezaka ho tonga masina amin'ny alalan'ny asan'ny tenany amin'ny fitandremana ny lalàna dia manandrana zavatra tsy ho vita na oviana na oviana. 

Ny fahadisoan-kevitra faharoa, izay mifanohitra amin'izany kanefa mampidi-doza koa, dia ny fiheverana fa ny finoana an'i Kristy dia manafaka ny olona amin'ny fitandremana ny didin'Andriamanitra, satria hoe ny finoana irery ihany no mahatonga antsika ho mpiombona amin'ny fahasoavan'i Kristy, ary tsy ilaina akory amin'ny fanavotana antsika ny asantsika. (...) Raha voasoratra ao am-po ny lalana, tsy hamolavola ny fiainana ve izany? (...) Tsy manafaka ny olona amin'ny fankatoavana ny finoana fa ny finoana irery ihany no mahatonga antsika ho mpiombona amin'ny fahasoavan'i Kristy izay manome antsika hery hankato. (...)

Ny tena finoana dia tsy finoana fotsiny ny tenin'Andriamanitra, fa fileferana amin'ny sitrapony sy fanolorana ny fo ho Azy ary fampifantohana ny fitiavana Aminy (...). Amin' izany finoana izany dia havaozina ny fo ho araka ny endrik' Andriamanitra, (...) ka manjary miravoravo amin'ny foto-kevitra masin'ny lalana ary miray feo amin'ny mpanao Salamo hoe: "Endrey ny fitiavako ny lalanao! Fisaintsainako mandrakariva izany" - Sal. 119:97. Ary tanteraka "ny fahamarinana ilain'ny lalàna amintsika izay tsy mandeha araka ny nofo, fa araka ny Fanahy." -Rom. 8:1. — GAG, t. 137. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal