Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Voasoratra ao am-po

Daty
Alahady 11 August 2024

 "(...) Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalako sady hosoratako ao am-pony; (..) fa havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany." — Jer. 31:33,34. 

Mofon’aina:
Ireo lalàna nosoratana teo amin'ny vato fisaka ihany no nosoratan'ny Fanahy Masina teo amin'ny vato fisaky ny fontsika. Aoka tsy hitady izay hanorenana ny fahamarinan'ny tenantsika isika fa hanaiky kosa ny fahamatinan'i Kristy. Manafaka ny fahotantsika ny rany, ary isaina ho antsika ny fankatoavany, ka hamoa ny "vokatry ny Fanahy" ny fontsika efa nohavaozin'ny Fanahy Masina. Hiaina amim-pankatoavana ny lalan'Andriamanitra voasoratra ao am-pontsika isika noho ny fahasoavan'Andriamanitra. (...) 

Misy fahadisoana anankiroa tokony hotandreman'ny zanak'Andriamanitra manokana, indrindra fa ireo zazavao amin'ny finoana. Ny voalohany, (...) dia ny fijerena ny asan'ny tena, ka mitoky amin'ny zavatra azon'ny tena atao mba hifandrindrana amin'ny sitrapon'Andriamanitra. Izay miezaka ho tonga masina amin'ny alalan'ny asan'ny tenany amin'ny fitandremana ny lalàna dia manandrana zavatra tsy ho vita na oviana na oviana. 

Ny fahadisoan-kevitra faharoa, izay mifanohitra amin'izany kanefa mampidi-doza koa, dia ny fiheverana fa ny finoana an'i Kristy dia manafaka ny olona amin'ny fitandremana ny didin'Andriamanitra, satria hoe ny finoana irery ihany no mahatonga antsika ho mpiombona amin'ny fahasoavan'i Kristy, ary tsy ilaina akory amin'ny fanavotana antsika ny asantsika. (...) Raha voasoratra ao am-po ny lalana, tsy hamolavola ny fiainana ve izany? (...) Tsy manafaka ny olona amin'ny fankatoavana ny finoana fa ny finoana irery ihany no mahatonga antsika ho mpiombona amin'ny fahasoavan'i Kristy izay manome antsika hery hankato. (...)

Ny tena finoana dia tsy finoana fotsiny ny tenin'Andriamanitra, fa fileferana amin'ny sitrapony sy fanolorana ny fo ho Azy ary fampifantohana ny fitiavana Aminy (...). Amin' izany finoana izany dia havaozina ny fo ho araka ny endrik' Andriamanitra, (...) ka manjary miravoravo amin'ny foto-kevitra masin'ny lalana ary miray feo amin'ny mpanao Salamo hoe: "Endrey ny fitiavako ny lalanao! Fisaintsainako mandrakariva izany" - Sal. 119:97. Ary tanteraka "ny fahamarinana ilain'ny lalàna amintsika izay tsy mandeha araka ny nofo, fa araka ny Fanahy." -Rom. 8:1. — GAG, t. 137. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal