Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tena sarobidy kanefa maimaimpoana

Daty
Alakamisy 15 August 2024

 "Koa tahaka ny nahatongavan'ny fanamelohana ho an'ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan'ny fanamarinana ho amin'ny fiainana kosa ho an'ny olona rehetra noho ny fahamarinana iray." — Rom. 5:18. 

Mofon’aina:
Tsy misy vola mahavidy, na saina mahatakatra, na   fahefana mahabaiko izany, nefa omena maimaimpoana ho an' izay rehetra manaiky handray azy ny fahasoavan'Andriamanitra be voninahitra. Mety hahatsapa ny filany anefa ny olona, ary hiala amin'ny fitokian-tena rehetra ka handray ny famonjena toy ny fanomezana. Tsy noho ny fahamarinan'ny tenany no hahazoan'ireo voavonjy mianika ny rindrin'ny Paradisa, ary tsy ny fanatitra volamena na volafotsy lafo vidy no hanokatra ny vavahadiny, fa ny fahamendrehan'ny hazo fijalian'i Kristy no hahazoan' izy ireo miditra ao amin'ireo fitoerana maro ao an-tranon' ny Ray.

Ny fiononana lehibe indrindra ho an'ny mpanota, ny antony lehibe indrindra tokony hifaliana dia izao: nomen'ny lanitra i Jesiisy ho Mpamonjy fly mpanota (...). Nanolo-tena handia ilay tany nahasolafaka sy nahalavo an'i Adama Izy mba hifanatrika amin' ilay mpaka fanahy eo an-tanim-piadiana sy handresy azy, ho an'ny olombelona. Banjino Izy nalaim-panahy tany an' efitra. Nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina Izy, niaritra ny famelezana mahery vaika indrindra avy amin'ny herin'ny maizina. (...) (Isa. 63:3). Tsy ho an'ny Tenany izany, fa mba hanapahany ny fatoran'ny fanandevozan'i Satana, izay mangej a ny taranak' olombelona.

Nitady izay hahazoana hery .avy amin-dRainy i Kristy mba hahafahany miatrika ny fotoan-tsarotra sy ny fitsapana, ary izany no tokony hataontsika. Natao hanaraka ny ohatr' Ilay Zanak'Andriarnanitra tsy manan-tsiny isika. (...) Tsy maintsy miantoraka eo amin'Ilay vonona hamonjy antsika amin'ny fotoana rehetra ilana izany ny fanahintsika malemy. Matetika loatra isika no manadino ny Tompo. Mora manaonao foana ny "izaho", ary dia very ny fandresena tokony ho azontsika.

Raha resy isika dia aoka hibebaka faingana sy hanaiky ny famelan-keloka, fa izany no hanome antsika tombon-kery. (...) Omena antsika maimaim-poana ny fahasoavany mamonjy. Atolony ho an'izay rehetra mandray izany ny famelan-keloka. (...) Isaky ny misy mpanota iray mibebaka dia mifaly sy mihoby ireo anjelin' Andriamanitra. Tsy misy mpanota tokony ho very na iray aza. Ny fahasoavana dia fanomezana mahavonjy tanteraka sy maimaimpoana. — GAG, t. 179.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (30)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal