Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fara-orana

Daty
Alahady 18 August 2024

 "Mangataha ranonorana amin Jehôvah hianareo amin'ny andro fara-orana, dia amin'i Jehôvah , Izay manao ny helatra; ranonorana mivatravatra no homeny azy, eny, samy homeny ny zava-maitso any an-tsaha ireny. " — Zak. 10:1.

Mofon’aina:

Ny endriky ny ranonorana aloha sy aoriana, izay milatsaka any atsinanana amin'ny fotoana famafazana sy fijinjana, no nentin'ny mpaminany hebreo nanambara mialoha ny firotsahan'ny fahasoavana ara-panahy amin'ny fatra mahagaga eo amin'ny fiangonan'Andriamanitra. Ny firotsahan'ny Fanahy tamin'ny andron'ny Apôstôly no fiantombohan'ny ranonorana aloha, na voalohany, ary be voninahitra ny vokatr' izany. (...)

 Nefa rehefa akaiky ny fiafaran'ny fijinjana ny tany, dia hisy fanomezana manokana ny fahasoavana ara-panahy nampanantenaina, izay hanomana ny fiangonana ho amin'ny fiavian'ny Zanak'olona. Ampitovina amin'ny filatsaky ny ranonorana aoriana io firotsahan'ny Fanahy io; ary io fanampin-kery io no tokony handefasan'ny Kristianina fangatahana amin'ny Tompon'ny vokatra " amin'ny andro fara-orana."

Tahaka ny nanomezam-boninahitra an'i Kristy tamin'ny andro Pentekosta no hanomezam-boninahitra Azy indray amin'ny fiafaran'ny asan'ny filazantsara, dia rehefa hanomana vahoaka hijoro amin'ny fizahan-toetra farany Izy, eo am-pamaranana ilay fifanandrinana lehibe ifanaovan'ny tsara sy ny ratsy.

Maro (...) no hidodododo etsy sy eroa, teren'ny Fanahin'Andriamanitra hitondra fahazavana ho an'ny hafa. Toy ny afo ao amin'ny taolany ny Tenin'Andriamanitra, mameno azy amin'ny faniriana miredareda hanazava ireo izay mitoetra ao amin'ny haizina. Maro be, na dia amin'ireo tsy nandia fianarana aza, no manjary mitory ny tenin'ny Tompo. Asesiky ny Fanahy ny ankizy handroso sy hanambara ny hafatra avy any an-danitra. Hirotsaka amin'izay rehetra manaiky hiasany ny Fanahy Masina, ary (...) hanambara ny fahamarinana amin'ny hery sy ny fahefan'ny Fanahy izy.

Kanefa tsy ho vonona ho amin'ny fotoam-pijinjana ny mambran'ny fiangonan'Andriamanitra ankehitriny raha tsy manana fifandraisana velona amin'Ilay Loharanon'ny fitomboana ara-panahy. Raha tsy manamboatra ny fanalany sy mitahiry izany hirehitra izy ireo dia tsy handray ny fanampim-pahasoavana amin'ny fotoana ilana izany manokana. Ilaina ny fahasoavan'Andriamanitra eo am-panombohana sy isaky ny dingana iray irosoana, ary ny fahasoavan'Andriamanitra irery ihany no afaka mamita ny asa. Tsy misy fotoana intsony tokony hitoerantsika ao amin'ny tsy firaihana (...). Aoka isika hikatsaka tsy tapaka, amim-bavaka sy amim-pinoana, fatrany bebe kokoa hatrany amin'ny Fanahy. GAG, t. 220. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal