Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miandry ny fangatahantsika

Daty
Alarobia 21 August 2024

"(...) Mangataha, dia hahazo hianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo." — Jao. 16:24. 

Mofon’aina:
Ny vavaka no fomba mahomby voatendrin'ny lanitra hanoherana ny ota sy hampitom-boana ny toetra kristianina. Ny hery miasa mangina avy any an-danitra avy amin'ny vavaka atao amim-pinoana no hanatanteraka ao amin'ny fanahin'ilay mpangataka izay rehetra nangatahiny. Azontsika angatahina ny famelan-keloka, ny Fanahy Masina, ny toetra tahaka ny an'i Kristy, ny fahendrena sy ny hery hanaovana ny asany, izay fanomezana rehetra efa nampanantenainy. Izao mantsy no teny fikasany: "Hahazo hianareo." 

Mpamonjy antsika i Jesôsy; tsy maintsy mandresy isika ao Aminy sy amin'ny alalany (...). Miandry ny fangatahantsika ny fahasoavan'i Kristy. Hahazo hery sy fahasoavana araka izay ilaintsika isika raha mangataka Aminy (...). Hifehy ny filana tsy masina rehetra ny fivavahan'i Kristy, handrisika ny hery, ny fifehezan-tena sy ny asa, eny, na amin'ny raharaha andavanandro aza, ka mahatonga antsika hahay mitantana, hahay hifandray amin'ny hafa, hahay handà tena, ary ho zakantsika tsy amim-pimonomononana na dia ny tsy fisiana aza. Hiseho eo amin'ny toetra ny Fanahin'i Kristy mitoetra ao am-po, hamolavola fahamendrehana sy hery. "Ampy ho anao ny fahasoavako", hoy i Kristy — 2 Kôr. 12:9. 

Ataovy ny ezaka rehetra hifandraisan'ny fanahinao tsy tapaka amin'i Jesôsy (...). Tokony hivavaka ny mpianakavy, ary ambonin'ny zavatra rehetra, tsy azontsika atao tsirambina ny vavaka mangina, fa izany no ain'ny fanahy. (...). Aoka ny fanahy, ao amin'ny mangina, hanaiky ho eo ambanin'ny fijerin'Andriamanitra mpamotopototra. Ilay Mpihaino vavaka irery ihany no natao handre ny vavaka atao ao amin'ny mangingina. Tsy misy sofina lian-kahafantatra fotsiny tokony handray ny vesatry ny fitalahoana toy izany. (...) Mifandray amin'Andriamanitra amim-pinoana sy fahatsorana ary fitoniana ny fanahy, ka manangona ho azy ireo tara-pahazavan'ny lanitra izay hanatanjaka sy hanohana azy ao anatin'ny adiny amin'i Satana. ( . . . )

Mivavaha ao an'efitranonao, ary raha hamonjy ny raharahanao anda-vanandro ianao, dia aoka ny fonao hisandratra matetika any amin'Andriamanitra. Toy izany no niarahan'i Enôka nandeha tamin'Andriamanitra. Tahaka ny hanitra sarobidy misandratra eo anatrehan'ny seza fiandrianan'ny fahasoavana ireny vavaka mangina ireny. Tsy hain'i Satana resena izay manana fo mitoetra eo amin'Andriamanitra toy izany. — GAG, t. 239. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal