Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny famantarana ny maha-Kristianina

Daty
Zoma 23 August 2024

« Ary ho an’izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika." - Efes. 3:20. 

Mofon’aina:
Miandry fotsiny haneho ny fahasoavany sy ny heriny amin'ny alalan'ny vahoakany ny Tompo. Takiny anefa ny hifantohan'ny fisainan'ireo izay manolo-tena hanompo Azy, Aminy mandrakariva. Tokony hanam-potoana hamakiana ny Tenin'Andriamanitra sy hivavahana isan'andro izy ireo. (...)

Isam-batan'olona no tsy maintsy iarahantsika mandeha sy iresahantsika amin'Andriamanitra, dia hiseho eo amin'ny fiainantsika amin'ny hasarobidiny rehetra ny hery masin'ny filazantsaran' i Kristy.

 Lehibe lavitra no ambaran'ny fiainana mangina sy mahatokin'ny Kristianina madio sy marina, mihoatra noho ny teny maro. Manan-kery lavitra noho ny teny ambarany ny maha-izy ny olona iray. Nanao tatitra ireo mpiandry raharaha nirahina tany amin'i Jesôsy fa tsy mbola nisy olona niteny tahaka Azy. Kanefa ny anton'izany dia satria tsy mbola nisy olona nanana fiainana tahaka ny fiainany. Raha hafa ny fiainany dia tsy ho niteny tahaka izay nataony Izy. Nisy hery mandresy lahatra tao amin'ny teniny satria niloatra avy ao amin'ny fo madio sy marina izany, be fitiavana sy fangorahana, malala-tanana sy marina. (...) 

Ny filazantsara izay torintsika mba hamonjena fanahy dia tsy maintsy ho ny filazantsara izay mamonjy ny fanahintsika. Tsy hisy fiantraikany amin'ny tontolo tsy mino ny hery miasa mangina avy amintsika raha tsy amin'ny alalan'ny finoana velona an'i Kristy amin'ny maha-Mpamonjy ny tenantsika manokana Azy. Raha tiantsika ny hahasintona ny mpanota tsy ho voafaokan'ny riaka mahery, dia tsy maintsy miorina mafy eo amin'Ilay Vatolampy ny tongotsika, dia i Kristy.

Ny karatra amantarana ny maha-Kristianina antsika dia tsy karatra azo tsapain-tanana ety ivelany, tsy ny fiambozonana hazo fijaliana na satroboninahitra izany, fa manambara ny firaisan'ny olombelona amin'Andriamanitra. Ny herin'ny fahasoavan'Andriamanitra izay miseho amin'ny alalan'ny fanovana ny toetra dia natao handresy lahatra fa naniraka ny Zanany ho Mpanavotra izao tontolo izao tokoa Andriamanitra. Amin'izay rehetra manodidina ny fanahin'ny olombelona dia tsy misy manana hery tahaka ny fiainana tsy misy fitiavan-tena. Ny Kristianina be fitiavana sy mahate-ho tia no tohan-kevitra mafonja indrindra manohana ny filazantsara. —GAG, t. 276.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal