Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Midera an’Andriamanitra

Daty
Alarobia 28 August 2024

 "Ny famindram-pon’i Jehovah no hambarako, dia ny fiderana an'i Jehovah araka izay rehetra nataony tamintsika sy ny haben'ny fahasoavana tamin'ny taranak 'Isiraely (..)." Isa. 63:7. 

Mofon’aina:
Rehefamamelombelonany fanahy tsy tapaka ny fahatsapana ny famindrampon ' Andriamanitra dia hisoritra eny amin'ny endrika ny fiadanana sy ny fifaliana. Ho hita eo amin'ny fiteny sy ny asa izany. Hanana hery manova ny fon'ny hafa ny fiainana noho ny asan'ny Fanahin'i Kristy ao am-po. (...)

Moa tsy manana antony tokony hiresahantsika momba ny fahatsaran' Andriamanitra sy ny heriny ve isika? Rehefa misy namana manao soa amintsika dia raisintsika ho tombontsoa ny mankasitraka azy ireny noho ny hatsaram-panahiny. Koa tsy vao mainka ve tokony ho fifaliantsika ny misaotra Ilay Namana izay ahazoantsika ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra isan'andro? Aoka àry hokolokolointsika isam-piangonana ny fahaiza-mankasitraka an'Andriamanitra. Aoka hozarintsika hidera an'Andriamanitra ny molotsika ao an-tokantrano. (...) 

Hoy i Davida: "Izaho tia an 'i Jehovah, satria efa nandre ny feon'ny fifonako Izy. Satria efa nanongilana ny sofiny tamiko Izy, dia hiantso aho, raha mbola velona koa. " —Sal. 116:1,2.Noho ny fahatsaram-pon'Andriamanitra amin'ny fihainoany sy ny famaliany nyvavaka ataontsika, dia manana adidy mavesatra isika haneho fankasitrahana ireo soa nataony antsika. Tokony hidera an'Andriamanitra mihoatra noho izay efa ataontsika isika. Ny fitahiana raisina noho ny valim-bavaka dia tokony hankasitrahana avy hatrany. (...)

Mampalahelo ny Fanahin' i Kristy isika rehefa be taraina sy mimonomonona ary ny manome tsiny. Aoka isika tsy hiferin'aina manoloana ny fitsapana toa mahamay ka hanala baraka an'Andriamanitra. Raha raisina ho mpitaiza ny fitsapana rehetra dia hitondra fifaliana. Hampandroso, hanandratra, hahamendrika, ho manitry ny teny sy ny asa tsara ny fiainam-pivavahana manontolo.

Aoka hanjaka ao amin'ny fanahinao ny fiadanan'Andriamanitra, dia hanana hery ianao hiaretana ny fahoriana rehetra, ary ho faly noho ny fahasoavan'Andriamanitra nanome anao fahaiza-miaritra. Derao Andriamanitra, ambarao ny fahatsarany, torio ny heriny. Ataovy izay hahatsara ny rivo-piainana manodidina ny fanahinao (...). Miderà amin'ny fo sy ny fanahy ary ny feo; derao Ilay famonjena ny tavanao, Mpamonjy anao, sy Andriamanitrao. — GAG, t. 325. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal