Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Eo am-piandrasana

Daty
Alakamisy 29 August 2024

 "Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo; ary aoka hianareo ho tahaka ny olona izay miandry ny tompony (...)." - Lio. 12:35,36. 

Mofon’aina:
/zao no fotoana tokony hiomanana ho amin'ny fiavian'ny Tompontsika. Tsy ho vonona hihaona Aminy ao anatin'ny fotoana fohy isika, tsy maintsy miandry sy miambina isika ary miasa amin-kafanam-po tokoa mba ho vonona ho amin'izany toe-javatra manetriketrika izany. Amin' izany no hanomezan'ireo zanak'Andriamanitra voninahitra Azy; hanonona teny fampaherezana sy fanantenana ary finoana izy ao anivon'ny rotoroton'ny fiainana. Atokany ho amin'ny fanompoana an'Andriamanitra ny fananany sy ny maha-izy azy rehetra.

Ambaran'i Kristy amintsika ny fotoana hahatongavan'ny fanjakany. Tsy milaza Izy fa hiova fo izao tontolo izao, fa hoe: "hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany." — Mat. 24:14. Ananantsika ny fahefana manafaingana ny fiavian'ny andron'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fitoriana ny filazantsara amin'izao tontolo izao. Raha nanao ny asa notendren'ny Tompo hataony ny fiangonan'i Kristy dia ho vita talohan'izao ny fampitandremana izao tontolo izao, ary ho efa tonga tamin-kery sy voninahitra teto an-tany ny Tompo Jesôsy. 

Hery velona no tsy maintsy itoriana ny hafatry ny fiavian'i Kristy fanindroany. Tsy tokony hitsahatra isika raha tsy mahita fanahy marobe voaova fo ho amin'ilay fanantenana mahafinaritra momba ny fiverenan'ny Tompo. Niasa tokoa ny hafatra notorina tamin'ny andron'ireo apôstôly ka nampiala fanahy maro tamin'ny sampy ary nahatonga azy ireo hanompo an'Andriamanitra velona. Tena misy asa tokony hatao ihany koa amin'izao andro izao; amim-pahamatorana kokoa aza no tokony hitoriantsika ny hafatra satria mihantomotra kokoa ny andron'i Jehôvah. (...) Izao no asantsika: miandry, miambina, miasa, mivavaka ary mampitandrina an'izao tontolo izao. 

Nanaitra ahy tokoa ny toe-javatra naseho ahy nandritra ny alina. Toy ny fihetsehana lehibe no hitako - fifohazana hita tany amin'ny toerana maro. Nirotsaka an-daharana ny olona hanoina ny antson'Andriamanitra. (...) Moa ve isika tsy hanoina ny antsony? Moa ve isika tsy hamboatra ny fanalantsika ka hanao tahaka ny olona miandry ny fiavian'ny Tompony? —GAG, t. 353. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (30)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal