Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fomba hahombiazana

Daty
Talata 03 September 2024

"Ary nony nahita ny fahasahisahianˋi Petera sy Jaona izy, sady nahalala fa tsy mba mpahay lalàna na nampianarina izy roa lahy, dia gaga izy; ary fantany tsara fa efa niaraka tamin'i Jesosy izy roa lahy." - Asa. 4:13. 

Mofon’aina:
F,ony teto an-tany i Kristy dia tsy nibaiko ireo mpanarato _  mba handao ny haratony sy ny sambokeliny ka hankany amin'ireo mpampianatra jiosy ho fanomanana ny asa fitoriana ny filazantsara. Raha nandeha teo amoron-dranomasin'i Galilia Izy dia "nahita olona mirahalahy, dia Simona, izay atao hoe Petera, sy Andrea rahalahiny, nanarato teny amin 'ny ranomasina; ( ...). Dia hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona hianareo. Dia nandao ny harato niaraka tamin'izay izy ka nanaraka Azy. Ary raha mbola nandroso Izy, dia nahita olona mirahalahy hafa koa, dia Jakoba zanak'i Zebedio, sy Jaona rahalahiny, (...) ary niantso azy mirahalahy Izy. Dia nandao ny sambokely sy ny rainy niaraka tamin 'izay izy ka nanaraka Azy."- Mat. 4:18-22. 

Manaitra tokoa io fankatoavana teo no ho eo io, izay tsy nisy fisalasalana na koa fampanantenana karama. Fanasana izay naneho tokoa ny tiany hambara rehetra ny Tenin'i Kristy. Nisy hery miasa mangina tsy hay notohaina tao amin'ny Teniny. Tsy nisy fanazavana lava nefa nanana hery nahataona izay nambarany. (...)

Amin'ny firaisana Aminy no hanaovan'i Kristy an'ireto mpanarato tso-piaina ireto ho fitaovana hitaona ny olona hiala amin'ny fanompoana an'i Satana ho tonga mpino an'i Kristy ka hampianatra azy ireo momba ny fanj akan ' Andriamanitra ( . . ) 

Nofidin'i Kristy ny adala amin'izao tontolo izao - dia ireo izay ataon'izao tontolo izao ho tsy nianatra sy tsy manam-pahalalana - mba hampahamenatra ny hendry amin'izao tontolo izao. Tsy mba nandalina ireo lovan-tsofin'ny raby ireo mpianatra, kanefa fahalalana ambony indrindra no azony tamin'ny nananany an'i Kristy ho Môdely sy Mpampianatra azy (...). Nasehon'i Kristy azy ireo ny fahamarinana ambony indrindra. 

Izay ampiasain'Andriamanitra ho amin'ny fanompoana Azy dia homaniny araka ny fombany mba hahatanteraka izany fanompoana izany. (...) Tsy maintsy manao Azy ho Môdely amin'ny zavatra rehetra izy ireo; manana ny fangorahany feno halemem-panahy sy ny toetrany hentitra manohitra ny asa ratsy rehetra. TDG, t. 41. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal