Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fomba hahombiazana

Daty
Talata 03 September 2024

"Ary nony nahita ny fahasahisahianˋi Petera sy Jaona izy, sady nahalala fa tsy mba mpahay lalàna na nampianarina izy roa lahy, dia gaga izy; ary fantany tsara fa efa niaraka tamin'i Jesosy izy roa lahy." - Asa. 4:13. 

Mofon’aina:
F,ony teto an-tany i Kristy dia tsy nibaiko ireo mpanarato _  mba handao ny haratony sy ny sambokeliny ka hankany amin'ireo mpampianatra jiosy ho fanomanana ny asa fitoriana ny filazantsara. Raha nandeha teo amoron-dranomasin'i Galilia Izy dia "nahita olona mirahalahy, dia Simona, izay atao hoe Petera, sy Andrea rahalahiny, nanarato teny amin 'ny ranomasina; ( ...). Dia hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona hianareo. Dia nandao ny harato niaraka tamin'izay izy ka nanaraka Azy. Ary raha mbola nandroso Izy, dia nahita olona mirahalahy hafa koa, dia Jakoba zanak'i Zebedio, sy Jaona rahalahiny, (...) ary niantso azy mirahalahy Izy. Dia nandao ny sambokely sy ny rainy niaraka tamin 'izay izy ka nanaraka Azy."- Mat. 4:18-22. 

Manaitra tokoa io fankatoavana teo no ho eo io, izay tsy nisy fisalasalana na koa fampanantenana karama. Fanasana izay naneho tokoa ny tiany hambara rehetra ny Tenin'i Kristy. Nisy hery miasa mangina tsy hay notohaina tao amin'ny Teniny. Tsy nisy fanazavana lava nefa nanana hery nahataona izay nambarany. (...)

Amin'ny firaisana Aminy no hanaovan'i Kristy an'ireto mpanarato tso-piaina ireto ho fitaovana hitaona ny olona hiala amin'ny fanompoana an'i Satana ho tonga mpino an'i Kristy ka hampianatra azy ireo momba ny fanj akan ' Andriamanitra ( . . ) 

Nofidin'i Kristy ny adala amin'izao tontolo izao - dia ireo izay ataon'izao tontolo izao ho tsy nianatra sy tsy manam-pahalalana - mba hampahamenatra ny hendry amin'izao tontolo izao. Tsy mba nandalina ireo lovan-tsofin'ny raby ireo mpianatra, kanefa fahalalana ambony indrindra no azony tamin'ny nananany an'i Kristy ho Môdely sy Mpampianatra azy (...). Nasehon'i Kristy azy ireo ny fahamarinana ambony indrindra. 

Izay ampiasain'Andriamanitra ho amin'ny fanompoana Azy dia homaniny araka ny fombany mba hahatanteraka izany fanompoana izany. (...) Tsy maintsy manao Azy ho Môdely amin'ny zavatra rehetra izy ireo; manana ny fangorahany feno halemem-panahy sy ny toetrany hentitra manohitra ny asa ratsy rehetra. TDG, t. 41. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal