Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Azo antoka ny fandresena

Daty
Sabotsy 07 September 2024

"Izay nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin 'izao miara-belona ratsy fanahy izao, araka ny sitrapon 'Andriamanitra Raintsika." - Gal. 1:4.

Mofon’aina:
Nanisy tetezana nampitohy ny hantsana noforonin'ny fahotana i Kristy tamin'ny nanolorany ny ainy ho an'izao tontolo izao (...). Nofidin' Andriamanitra ity tontolo ity mba ho sehatra isehoan'ny asam-pahasoavany lehibe. Raha nitatao tamin'ity tany ity ny didim-pitsaran'ny fanamelohana noho ny fikomian'ireo mponina tao aminy, raha nitrahotraho ny rahon'ny fahatezerana noho ny fandikana ny lalàn'Andriamanitra, dia nisy feo mitory zava-miafina re tany an-danitra: "imy aho tonga (..) hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô" - Sal. 40:7,8. Avy any an-danitra Ilay Mpisolontsika sy antoka ho antsika ary nanambara fa nitondra fanomezana goavana sy sarobidy, dia ny fiainana mandrakizay. Atolotra ho an'izay rehetra hiverina amin'ny fankatoavana ny lalàn'Andriamanitra ny famelan-keloka. Misy anefa ireo izay mandà tsy hanaiky ny "Izao no lazain'i Jehôvah". (...) Mamorona fitsipik'olombelona henjana izy ireo, (...) ary amin'ny fampianarana sy ny ohatra no itarihany ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy mba hanota. Ny didin'olombelona no asandrany ho ambonin'ny lalàn'Andriamanitra. (...)

Ny vahoakan'Andriamanitra sisa, izay mitandrina ny didiny, no hahatakatra ny teny nataon'i Daniela hoe: "haro no hodiovina sy hofotsiana ary hozahan-toetra; fa ny ratsy fanahy kosa mbola hanao ratsy ihany, ary tsy hisy amin 'ny ratsy fanahy hahafantatra, fa ny henchy no hahafantatra." - Dan. 12:10.

Nanambara i Satana fa faritaniny izao • tontolo izao. Eto ny seza fiandrianany, ary raisiny ho mpiandany aminy ireo rehetra mandà tsy hitandrina ny didin' Andriamanitra, dia izay mitsipaka ny fanambarana mazava hoe: "izao no lazain'i Jehôvah". Mijoro eo ambany fanevan'ny fahavalo izy ireo, satria antoko roa ihany no misy eto an-tany. Milahatra eo ambany fanevan'ny mpankatà na eo ambany fanevan'ny tsy mpankatà ny olona.

Mandefa hafatra ho an'ny tontolo iray lavo i Jesôsy ankehitriny. Tiany ny maka ireo "fitaovana" tsy misy antenaina, dia ireo izay efa nampiasain'i Satana, ka ampiasainy ho fanehoana ny fahasoavany ireny. Fifaliana ho Azy ny manafaka azy ireo amin'ny fahatezerana izay efa hianjera amin'ireo tsy mpankatô.- TDG, t. 84. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal