Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Azo antoka ny fandresena

Daty
Sabotsy 07 September 2024

"Izay nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin 'izao miara-belona ratsy fanahy izao, araka ny sitrapon 'Andriamanitra Raintsika." - Gal. 1:4.

Mofon’aina:
Nanisy tetezana nampitohy ny hantsana noforonin'ny fahotana i Kristy tamin'ny nanolorany ny ainy ho an'izao tontolo izao (...). Nofidin' Andriamanitra ity tontolo ity mba ho sehatra isehoan'ny asam-pahasoavany lehibe. Raha nitatao tamin'ity tany ity ny didim-pitsaran'ny fanamelohana noho ny fikomian'ireo mponina tao aminy, raha nitrahotraho ny rahon'ny fahatezerana noho ny fandikana ny lalàn'Andriamanitra, dia nisy feo mitory zava-miafina re tany an-danitra: "imy aho tonga (..) hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô" - Sal. 40:7,8. Avy any an-danitra Ilay Mpisolontsika sy antoka ho antsika ary nanambara fa nitondra fanomezana goavana sy sarobidy, dia ny fiainana mandrakizay. Atolotra ho an'izay rehetra hiverina amin'ny fankatoavana ny lalàn'Andriamanitra ny famelan-keloka. Misy anefa ireo izay mandà tsy hanaiky ny "Izao no lazain'i Jehôvah". (...) Mamorona fitsipik'olombelona henjana izy ireo, (...) ary amin'ny fampianarana sy ny ohatra no itarihany ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy mba hanota. Ny didin'olombelona no asandrany ho ambonin'ny lalàn'Andriamanitra. (...)

Ny vahoakan'Andriamanitra sisa, izay mitandrina ny didiny, no hahatakatra ny teny nataon'i Daniela hoe: "haro no hodiovina sy hofotsiana ary hozahan-toetra; fa ny ratsy fanahy kosa mbola hanao ratsy ihany, ary tsy hisy amin 'ny ratsy fanahy hahafantatra, fa ny henchy no hahafantatra." - Dan. 12:10.

Nanambara i Satana fa faritaniny izao • tontolo izao. Eto ny seza fiandrianany, ary raisiny ho mpiandany aminy ireo rehetra mandà tsy hitandrina ny didin' Andriamanitra, dia izay mitsipaka ny fanambarana mazava hoe: "izao no lazain'i Jehôvah". Mijoro eo ambany fanevan'ny fahavalo izy ireo, satria antoko roa ihany no misy eto an-tany. Milahatra eo ambany fanevan'ny mpankatà na eo ambany fanevan'ny tsy mpankatà ny olona.

Mandefa hafatra ho an'ny tontolo iray lavo i Jesôsy ankehitriny. Tiany ny maka ireo "fitaovana" tsy misy antenaina, dia ireo izay efa nampiasain'i Satana, ka ampiasainy ho fanehoana ny fahasoavany ireny. Fifaliana ho Azy ny manafaka azy ireo amin'ny fahatezerana izay efa hianjera amin'ireo tsy mpankatô.- TDG, t. 84. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal