Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Antoka omen'ny lanitra

Daty
Alahady 08 September 2024

 "Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dòndòny, dia hovohana hianareo." - Mat. 7:7. 

Mofon’aina:
Rfaha mba ny rehetra mantsy no mahalala avy amin'ny anandramany manokana ny halehiben'ny fitsaharana ampanan-tenain'ny lanitra (...) ho an'ny fanahy, na dia izao ankehitriny izao aza, amin'ny alalan'ny fivavahana mafana! Raha tsy mbola nianatra izany lesona izany ny fanahy iray, dia tsara kokoa ny hianarany hifehy izany ao amin'ny sekolin'i Kristy mialoha ny hianarany ireo lesona hafa eo amin'ny fiainana.

 Maniry hiaina fanandramana vaovao sy velona isan'andro isika amin'ny maha-Kristianina antsika. Irintsika ny hianatra mitoky amin'i Jesôsy sy mino Azy ary manankina ny zava-drehetra Aminy. (...) Mandritra ny firesahana amin'Andriamanitra no ahazoantsika mampihanjahanja Aminy ny zava-miafin'ny fanahy - satria mahalala ny zavatra rehetra Izy - fa ny olona kosa tsy toy izany. (...)

 Aoka ianao tsy haneho tsy firaihana ka hisaraka amin'Ilay Loharanon'ny herinao. Tandremo ny fisainanao, ny teninao, ary katsaho izay hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra amin' izay rehetra tianao hatao. Arakaraka ny anakaikezanao eo am-pototry ny hazo fijaliana no hahitanao bebe kokoa ny fahatsaran'i Jesôsy sy ny fitiavany tsy manam-paharoa izay efa nasehony ho an'ny olombelona lavo. (...) 

Aza avela hampisaraka anao amin'Andriamanitra ny rotoroton'ny asa aman-draharaha, satria amin'ny fotoana maha-betsaka ny asa eo am-pelatananao indrindra no ilanao torohevitra sy fahazavan-tsaina (...). Amin' izay indrindra no ilanao ny hanokana fotoana hivavahana sy hanana finoana mitombo ary fitokiana amin'ny torohevitr'Ilay lehibe indrindra amin'ny Mpitsabo. Angataho Izy hanampy anao. Mivavaha matetika arakaraka ny mahasarotra ny asa tokony hataonao. (...)

 Endrey! Lohahevitra iray mendrika hodinihina ny ahazoana manavao sy mamonjy ny olombelona, izay efa (...) very ao amin'ny toetrany, amin'ny alalan'ny fanampiana feno fahasoavana izay atolotr'i Kristy azy ao amin'ny filazantsara. (...) Ny fizahan-toetra tsirairay izay zakaina, ny fitahiana rehetra raisina amim-pankasitrahana, ny fakam-panahy tsirairay izay toherina amim-pahatokiana, no hahatonga anao ho lehilahy mahery ao amin'i Jesôsy Kristy. Ao amin'ny fivavahana atao amim-pinoana no ahazoana izany fahasoavana rehetra izany. (...)

Mifahara amin'ilay hery avy any ambony. Na i Jesôsy aza, rehefa ni omana hisetra ireo fizahan-toetra lehibe, dia nitokana tany an-tendrombohitra ary nandany ny alina tamin'ny fivavahana (...).- TDG, t. 104. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal