Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Antoka omen'ny lanitra

Daty
Alahady 08 September 2024

 "Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dòndòny, dia hovohana hianareo." - Mat. 7:7. 

Mofon’aina:
Rfaha mba ny rehetra mantsy no mahalala avy amin'ny anandramany manokana ny halehiben'ny fitsaharana ampanan-tenain'ny lanitra (...) ho an'ny fanahy, na dia izao ankehitriny izao aza, amin'ny alalan'ny fivavahana mafana! Raha tsy mbola nianatra izany lesona izany ny fanahy iray, dia tsara kokoa ny hianarany hifehy izany ao amin'ny sekolin'i Kristy mialoha ny hianarany ireo lesona hafa eo amin'ny fiainana.

 Maniry hiaina fanandramana vaovao sy velona isan'andro isika amin'ny maha-Kristianina antsika. Irintsika ny hianatra mitoky amin'i Jesôsy sy mino Azy ary manankina ny zava-drehetra Aminy. (...) Mandritra ny firesahana amin'Andriamanitra no ahazoantsika mampihanjahanja Aminy ny zava-miafin'ny fanahy - satria mahalala ny zavatra rehetra Izy - fa ny olona kosa tsy toy izany. (...)

 Aoka ianao tsy haneho tsy firaihana ka hisaraka amin'Ilay Loharanon'ny herinao. Tandremo ny fisainanao, ny teninao, ary katsaho izay hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra amin' izay rehetra tianao hatao. Arakaraka ny anakaikezanao eo am-pototry ny hazo fijaliana no hahitanao bebe kokoa ny fahatsaran'i Jesôsy sy ny fitiavany tsy manam-paharoa izay efa nasehony ho an'ny olombelona lavo. (...) 

Aza avela hampisaraka anao amin'Andriamanitra ny rotoroton'ny asa aman-draharaha, satria amin'ny fotoana maha-betsaka ny asa eo am-pelatananao indrindra no ilanao torohevitra sy fahazavan-tsaina (...). Amin' izay indrindra no ilanao ny hanokana fotoana hivavahana sy hanana finoana mitombo ary fitokiana amin'ny torohevitr'Ilay lehibe indrindra amin'ny Mpitsabo. Angataho Izy hanampy anao. Mivavaha matetika arakaraka ny mahasarotra ny asa tokony hataonao. (...)

 Endrey! Lohahevitra iray mendrika hodinihina ny ahazoana manavao sy mamonjy ny olombelona, izay efa (...) very ao amin'ny toetrany, amin'ny alalan'ny fanampiana feno fahasoavana izay atolotr'i Kristy azy ao amin'ny filazantsara. (...) Ny fizahan-toetra tsirairay izay zakaina, ny fitahiana rehetra raisina amim-pankasitrahana, ny fakam-panahy tsirairay izay toherina amim-pahatokiana, no hahatonga anao ho lehilahy mahery ao amin'i Jesôsy Kristy. Ao amin'ny fivavahana atao amim-pinoana no ahazoana izany fahasoavana rehetra izany. (...)

Mifahara amin'ilay hery avy any ambony. Na i Jesôsy aza, rehefa ni omana hisetra ireo fizahan-toetra lehibe, dia nitokana tany an-tendrombohitra ary nandany ny alina tamin'ny fivavahana (...).- TDG, t. 104. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal