Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miaina ilay fiainam-baovao

Daty
Alatsinainy 09 September 2024

  "Koa amin'izany na inona na inona tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany." - Mat. 7:12. 

Mofonˋaina:
Tonga mba hampianatra antsika i Kristy, tsy izay tokony ho   fantatsika sy hinoantsika ihany, fa izay tokony hataontsika koa eo amin'ny fifandraisana amin' Andriamanitra sy amin'ny olombelona namantsika. Mandidy antsika ny fitsipika volamenan'ny rariny mba hanaovantsika amin'ny hafa araka izay tiantsika hatao amintsika. Aoka hobanjinintsika mandrakariva ny momba ny mandrakizay, ka hanao amin'ny tenantsika isika hoe: "olom-boavidin'ny ran'ny Mpamonjy ireo, novidina tamin'ny sandany lafo."

 Eo amin'ny fitondrantsika ny namantsika, na mpino izy ireo na tsia, dia tokony hanao aminy araka izay hataon'i Kristy isika, raha eo amin'ny toerantsika Izy. (...) Ny tanjontsika ambony indrindra dia ny ho tonga mpitsabo misiônera ho azy ireo araka ny baikon'i Kristy. (...)

Tsy maintsy mametraka an'i Kristy ho lohalaharana eo amin'izay rehetra ataony ny olona rehetra miditra amin'ny vavahady volamenan'ny tanànan'Andriamanitra. Izany no mahatonga azy ireo ho mpitondra hafatr'i Kristy, ho vavolombelony. Tsy maintsy manao fanambarana mazava sy hentitra izy ireo, fanambarana izay manohitra ny fanao ratsy, ka mampitodika ny olona ho amin'ilay Zanak' ondrin ' Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao. (...)

Ny fananganana anaka no hany lalana ahazoantsika manatratra ilay tanàna masina. Tery izany lalana izany, sy ny vavahady hidirantsika, kanefa eo no tsy maintsy hitarihantsika ireo lehilahy sy vehivavy ary ankizy ka ampianarantsika azy ireo mba hahatonga azy ho voavonjy; tsy maintsy manana fo sy fanahy vaovao izy ireo. Tsy maintsy ovana ny faniriana voajanaharin'ny fo. Tsy maintsy havela ny famitahana rehetra, ny hevi-diso rehetra, ary ny fitenenan-dratsy rehetra. Tsy maintsy iainana ny fiainam-baovao izay mahatonga ny lehilahy sy ny vehivavy ho tahaka an'i Kristy. (...) 

Ety ny lalana mankany an-danitra, ary ny lalàn'i Jehôvah no mamefy izany. Tsy maintsy mandà ny tenany mandrakariva izay manaraka izany lalana izany. Tsy maintsy mankatô ireo fampianaran'i Kristy izy. (...) Aoka isika tsy hitoky amin'olombelona, fa amin'i Jesôsy Kristy izay efa maty mba hambaboany antsika ho amin'ny fahamarinana. - TDG, t. 108. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal