Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Izay tena ilaina hahazoana famonjena

Daty
Talata 10 September 2024

 "Fa maizina hianareo fahiny, fa efa mazava ao amin'ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava." - Efes. 5:8. 

Momon ai à:
Baikony ny fahazavana mba hamirapiratra eo amin'ny haizina sy hampahazava ny sain' ireo rehetra mibanjina Azy (...), dia izay tia Azy tokoa, izay maneho finoana tsy mihozongozona sy matoky Azy. Mâmirapiratra ao amin'ireo efitrefitry ny saina sy ny tempolin'ny fanahy ny Fahazavany. Fenon'ny fahazavan'ny fahalalana ny voninahitra izay mamirapiratra eo amin'ny tavan'i Jesôsy Kristy ny fo. Ary amin'izany no hananana fahaiza-manavaka ara-panahy. (...)

Mandray fahazavana lehibe kokoa isika rehefa milefitra an-tsitrapo amin'ireo porofon'ny fahamarinana ary mandeha eo amin'ny fahazavana izay mitsilo ny lalantsika. Amin' ny alal an' ny herin'ny fisehoan'ny voninahitr' Andriamanitra no androsoantsika tsy miato ao amin'ny fahatakarana ara-panahy. (...)

 Arakaraka ny ifankafantaran' ny olona iray akaiky kokoa amin'i Jesôsy Kristy no hitondrany ny namany amim-panajana sy amim-pahamarinana. Efa nianatra tamin'i Kristy izy, ary manaraka ny oh_atra nasehony amin'ny teny sy amin'ny asa. Amin'ny finoana no ananany firaisana amin'i Kristy. (...)

Nivavaka ho amin'ny firaisan'ireo mpanara-dia Azy i Kristy. Io firaisana io no porofo handresy lahatra an'izao tontolo izao fa efa naniraka ny Zanany mba hamonjy ny mpanota Andriamanitra. Manompo an'i Kristy isika amin'ny fifanehoana fitiavana marina sy madio ary masina. Ireo izay voafidy hanana fifandraisana amin'ny sahan'ny Tompo dia tokony hanana fanoloran-tena, fandavan-tena, fahafoizan-tena; tokony hiaina tsy araka izay mahafinaritra ny tenany izy fa hanao ny sitrapon'ny Mpampianatra. Ireo no hanome voninahitra ny sahan'i Jehôvah. 

Fototry ny famonjena tokoa ny fahalalana an'Andriamanitra sy i Kristy. Verivery foana ny andro tsy ianarantsika bebe kokoa momba ny fahamoram-pon'i Kristy sy ny fanetren-tenany. Hahazo ny fanabeazana ambony indrindra ireo izay mianatra amin'i Kristy. Amin'ny finoana sy ny fiankinana amin'ny fahasoavan'i Kristy mahavonjy no itomboany amin'ny fahalalana sy ny fahendrena. (...)

Ireo izay novonjena dia tsy maintsy manao ho andraikiny isan'andro ny handray fahasoavana avy amin'Andriamanitra, ny tsy hihazona izany am-pitiavan-tena fa hizara izany ho fitahiana ho an'ireo mifandray aminy, ary hanampy azy ireo hahazo fanabeazana mikasika ny zavatra ara-panahy. - TDG, t. 135. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal