Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Izay tena ilaina hahazoana famonjena

Daty
Talata 10 September 2024

 "Fa maizina hianareo fahiny, fa efa mazava ao amin'ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava." - Efes. 5:8. 

Momon ai à:
Baikony ny fahazavana mba hamirapiratra eo amin'ny haizina sy hampahazava ny sain' ireo rehetra mibanjina Azy (...), dia izay tia Azy tokoa, izay maneho finoana tsy mihozongozona sy matoky Azy. Mâmirapiratra ao amin'ireo efitrefitry ny saina sy ny tempolin'ny fanahy ny Fahazavany. Fenon'ny fahazavan'ny fahalalana ny voninahitra izay mamirapiratra eo amin'ny tavan'i Jesôsy Kristy ny fo. Ary amin'izany no hananana fahaiza-manavaka ara-panahy. (...)

Mandray fahazavana lehibe kokoa isika rehefa milefitra an-tsitrapo amin'ireo porofon'ny fahamarinana ary mandeha eo amin'ny fahazavana izay mitsilo ny lalantsika. Amin' ny alal an' ny herin'ny fisehoan'ny voninahitr' Andriamanitra no androsoantsika tsy miato ao amin'ny fahatakarana ara-panahy. (...)

 Arakaraka ny ifankafantaran' ny olona iray akaiky kokoa amin'i Jesôsy Kristy no hitondrany ny namany amim-panajana sy amim-pahamarinana. Efa nianatra tamin'i Kristy izy, ary manaraka ny oh_atra nasehony amin'ny teny sy amin'ny asa. Amin'ny finoana no ananany firaisana amin'i Kristy. (...)

Nivavaka ho amin'ny firaisan'ireo mpanara-dia Azy i Kristy. Io firaisana io no porofo handresy lahatra an'izao tontolo izao fa efa naniraka ny Zanany mba hamonjy ny mpanota Andriamanitra. Manompo an'i Kristy isika amin'ny fifanehoana fitiavana marina sy madio ary masina. Ireo izay voafidy hanana fifandraisana amin'ny sahan'ny Tompo dia tokony hanana fanoloran-tena, fandavan-tena, fahafoizan-tena; tokony hiaina tsy araka izay mahafinaritra ny tenany izy fa hanao ny sitrapon'ny Mpampianatra. Ireo no hanome voninahitra ny sahan'i Jehôvah. 

Fototry ny famonjena tokoa ny fahalalana an'Andriamanitra sy i Kristy. Verivery foana ny andro tsy ianarantsika bebe kokoa momba ny fahamoram-pon'i Kristy sy ny fanetren-tenany. Hahazo ny fanabeazana ambony indrindra ireo izay mianatra amin'i Kristy. Amin'ny finoana sy ny fiankinana amin'ny fahasoavan'i Kristy mahavonjy no itomboany amin'ny fahalalana sy ny fahendrena. (...)

Ireo izay novonjena dia tsy maintsy manao ho andraikiny isan'andro ny handray fahasoavana avy amin'Andriamanitra, ny tsy hihazona izany am-pitiavan-tena fa hizara izany ho fitahiana ho an'ireo mifandray aminy, ary hanampy azy ireo hahazo fanabeazana mikasika ny zavatra ara-panahy. - TDG, t. 135. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal