Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana
  2. Archive mensuelle

April 2024

Vavaka feno fanetren-tena sy faharetana

"Elia dia olona tahaka antsika ihany, ary izy nahery nivavaka mba tsy hilatsahan'ny ranonorana; dia tsy nilatsaka tamin'ny tany ny ranonorana telo taona sy enim-bolana. Ary, nivavaka indray izy, dia nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany." - Jak. 5:17,18.

Mitady an'i Jehôvah amin'ny fo rehetra

 "Miverena ho amin'ny fiarovana mafy, hianareo mpifatotra manana ny fanantenana! Anio no hanambarako hoe: Hanonitra roa heny ho anao Aho." - Zak. 9:12.

Fotoana hisaintsainana 

"Fa ny lalàn'i Jehôvah no sitrany; eny, ny lalàny no saintsaininy andro aman'alina." - Sal. 1:2

"Mankanesa aty Amiko"

 "Mankanesa aty Amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fisaharana." - Mat. 11:28.
Mofon’aina :

FIANARANA FANAMPINY :

"Tsy nisy vokany ny fiezahan'i Satana handrava ny fiangonan’i Kristy tamin'ny heriny. Tsy nitsahatra ny ady lehibe izay namoizan'ny mpianatr'i Jesôsy ny ainy rehefa lavo teo am-panatontosana ny adidiny ireo mpitondra faneva mahatoky. Nandresy teo amin'ny fahareseny izy. Maty ireo mpiasan’Andriamanitra, fa ny asany kosa nandroso hatrany. Niely hatrany ny filazantsara, ary nitombo ny isan'ireo mpanaraka izany. Tafiditra tao amin'ny toerana tsy azo nidirana izany, eny, na dia ny voromaherin'i Roma aza tsy tafiditra tany.

LOVAM-PITIAVANA

Vakio ny Jao. 13:35 sy ny 1 Jao. 4:21. Inona no ambaran'ireo andininy ireo eo anatrehan'ny fihaikana ataon'i Satana amin'ny fitondram-panjakan'Andriamanitra ao amin'ilay fifanandrinana lehibe? Inona no ambaran'izany amintsika momba ny maha-zava-dehibe ny fivavahana kristianina tena izy?

Ny fomba hihazonana ny fahitsiana

 "Ary aoka ho tahaka izany koa hianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin'ny ota, fa velona ho an 'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesôsy. Koa aza avela ny ota hanjaka amin'ny tenanareo mety maty hanarahanareo ny filany." — Rôm. 6:11,12. 

Mofon’aina:

MIAHY NY FIARAHAMONINA

Tsy noho ny nitorian'ny mambra ny Filazantsara ihany no nampitombo ny fiangonana kristianina voalohany fa ny fiveloman'izy ireo ny filazantsara koa. Maneho ny asa fanompoan'i Kristy izay "nandeha eran'i Galilia ka nampianatra tao amin'ny synagogan'ny olona teo sy nitory ny filazantsaran'ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra tamin'ny olona" ny mpino (Mat. 4:23). Nihevitra sy niahy fatratra ny olona i Jesôsy ary ny fiangonan'ny Testamenta Vaovao dia nanao toy izany koa.

FAHATOKIANA EO ANIVON'NY FANENJEHANA

Haingana dia haingana tokoa ny fitomboan'ny fiangonana kristianina nandritra ireo taonjato voalohany nisian'ny fivavahana kristianina, na dia teo aza ny fampidirana am-ponja sy ny fampijaliana ary ny fanenjehana. Mpino mahatoky, izay nanolo-tena tanteraka ho an'i Kristy ary feno ny Fanahy Masina no nitory ny tenin'Andriamanitra tamin-kery; fiainana maro no voaova ary olona an'alina no niova fo.

AMBONIN’NY ZAVON’NY FISALASALANA

« Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo, dia hianareo rehetra izay manantena an’i Jehovah. » Sal. 31:24. 
Mofon’aina:

Na ny Kristianina manana fanandramana maro aza dia iharan’ireo fanahiana sy ireo fisalasalana ratsy indrindra. (...) Tsy tokony hihevitra ianao fa tsy misy fanantenana ny aminao momba ireo fakam-panahy ireo. (...) Manantenà an’Andriamanitra, matokia Azy ary mitoera ao amin’ny teny fikasany.

Pagination

  • Previous page
  • 6
  • Next page

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

Pagination

  • Previous page
  • 5
Powered by Drupal