Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana
  2. Archive mensuelle

April 2025

Lesona 6: NY FANATITRA - Fianarana fanampiny

Mazava ny voalazan'ny Soratra Masina fa i Kristy irery ihany no mendrika hanatanteraka ny famonjena antsika. Ny fiainany no hany fiainan'olombelona tsy voapentin'ota, ohatra amin'ny fiainana izay nanome voninahitra tanteraka an'Andriamanitra Ray. Izy no Zanak'ondrin'Andriamanitra tsy misy kilema, ary ankehitriny dia mijoro amin'ny maha-Lohan'ny taranak'olombelona Azy Izy, ho antoka mandrakizay ho antsika. Ary nitondra ny helotsika koa Izy ka nahafa-po ny fitsarana izay tsy maintsy nasetrin Andriamanitra ny faharatsiana.

Lesona 6: NY FANATITRA - Ianao no nahary ny zavatra rehetra

Tamin'ny fotoana sasantsasany dia nampanakekezina an'Andriamanitra tao anaty fahitana ny mpaminany ka navela hahita ny seza fiandrianan'Andriamanitra. Teo ambonin'ny "eloelo" no nahitan'i Ezekiela izany (Ezek. 1:26); i Isaia kosa nahita izany tao amin'ny tempoly tany an-danitra (Isa. 6:1), ary ny fanoritsoritana mazava indrindra omena antsika dia ny ao amin'ny Apôk. 4 sy 5, rehefa nentina tamin'ny alalan'ny fahitana i Jaona.

Lesona 6: NY FANATITRA - I Jesôsy tao an-tempoly

Misy hery mifanandrina ao amin'ny tantaran'ny famonjena manontolo. Tian'Andriamanitra haverina ho tahaka ny fahiny ny fifandraisantsika Aminy; te hanakaiky antsika Izy. Saingy handringana ny mpanota ny fitondrana azy ireo eo anatrehany. "Fa tsy Andriamanitra mankasitraka izay ratsy Hianao; tsy hitoetra aminao ny ratsy." - Sal. 5:4, hoy i Davida, ary nampiany koa hoe: "Fa izaho kosa noho ny haben'ny famindram-ponao dia hiditra ao an-tranonao; hiankohoka manatrika ny lapanao masina amin'ny fahatahorana anao aho"-Sal. 5:7.

Lesona 6: NY FANATITRA - Ilay zanak’ondrin’i Paska

Intelopolo eo ho eo no iantsoan'ny bokin'ny Apôkalipsy an'i Jesosy hoe: "Zanak'ondry". Hatrany am-piandohan'ny drafi-panavotana, dia nataon'ny vahoakan Andriamanitra ho tandindon'ny Mesia ho avy ny zanak'ondry. Nitondra ny voalohan-terak'ondriny i Abela (Gen. 4:4), ary talohan'ny nialan'ny Isiraely tao Egipta ho any amin'ny Tany Nampanantenaina, dia nasaina namono zanak'ondry iray taona hatao fanatitra izy ireo mba hanavotana ny lahimatoany rehetra na olona na biby (Eks. 12:5).

Lesona 6: NY FANATITRA - Ny ran’ombilahy sy ny ran’osioahy

Nokianin'ny olona sasany ny rafi-pisoronana sy ny mombamomba azy rehetra, ka nolazainy fa fanao tsy mifaditrovana, masiaka, ary amin'ny lafiny iray, tsy ara-drariny izany. Kanefa, izany indrindra no hevitra fonosiny. Maty tamin'ny fomba tsy mifaditrovana, feno fahasiahana, ary tsy ara-drariny i Kristy - Ilay tsy manan-tsiny maty ho an'ny olo-meloka. Izany no tsy maintsy natao mba hamahana ny olan'ny fahotana. Ary io fahafatesan'i Kristy io, no notondroin'ireny sorona rehetra ireny.

Lesona 6: NY FANATITRA - Fanati-poana

Mazana ahafantarantsika zavatra betsaka ny fampitahana hevitra anankiroa. Maro ny fahalalana mety ho azontsika momba ny toetry ny fanatitra ara-Baiboly rehefa dinihintsika ny nandavan'Andriamanitra ny fanatitra nataon'ny vahoakany.

Ampitahao ny Isa. 1:2-15 sy ny Isa. 56:6,7 ary ny Sal. 51:17. Inona ireo lesona lehibe ampianarina antsika eto momba ny fanatitra?

Lesona 6: NY FANATITRA - Fampidirana

Hodinihina mandritra ny herinandro: Isa. 1:2-15; Heb. 10:3-10; Eks. 12:1-11; 1 Kor. 5:7; Hag. 2:7-9; Isa. 6:1-5; Apôk. 4:7-11.

Tsianjery:

"Ary nihira fihiram-baovao izy ka nanao hoe: Hianao no mendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; fa voavono Hianao, ary ny ranao no nanavotanao ho an'Andriamanitra olona avy tamin'ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny, sy ny olona ary ny firenena rehetra." - Apôk. 5:9.

Famantarana ny fahefan' Andriamanitra

 "Ary izay taranakao no hanangana ny efa raya ela, ary ny naorina hatry ny fony fahagola no hamboarinao; ary hianao dia hatao hoe mpamboatra ny raya, mpamelon-dalana honenana amin'ny tany. " Isa. 58:12.

Fahamarinana ara-Baiboly ny Sabata

 "Dia hotandreman'ny Zanak'Isiraely ny Sabata hankatoavany azy hatramin'ny taranany fara mandimby, dia fanekena mandrakizay izany." - Eks. 31:16.

Mofon’aina: 
Mitaky fiambenana tsy tapaka izao vanin'andro iainantsika izao. Izao no fotoana tokony hifohazan'ny vahoakan'Andriamanitra hanao asa lehibe amin'ny fitondrana fanazavana momba ny Sabata. Mila manaitra sy mampitandrina ny mponin'izao tontolo izao izy ireo fa antomotra ny fiavian' i Kristy fanindroany amin-kery sy voninahitra lehibe. (...)

Mampitodika ny saina ho amin'ny Mpahary

"Raha miaro ny tongotrao amin 'ny Sabata hianao ka tsy manao izay tianao amin'ny androko masina, ary manao ny Sabata hoe fahafinaretana, ary ny nohamasinin'i Jehovah hoe mendrika hohajaina, (...) dia hiravoravo amin'i Jehovah hianao (...)." - Isa. 58:13,14.

Pagination

  • 1
  • Next page

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal