Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: NY FANATITRA - Ianao no nahary ny zavatra rehetra

Daty
Alakamisy 08 May 2025

Tamin'ny fotoana sasantsasany dia nampanakekezina an'Andriamanitra tao anaty fahitana ny mpaminany ka navela hahita ny seza fiandrianan'Andriamanitra. Teo ambonin'ny "eloelo" no nahitan'i Ezekiela izany (Ezek. 1:26); i Isaia kosa nahita izany tao amin'ny tempoly tany an-danitra (Isa. 6:1), ary ny fanoritsoritana mazava indrindra omena antsika dia ny ao amin'ny Apôk. 4 sy 5, rehefa nentina tamin'ny alalan'ny fahitana i Jaona. Ireo tandindona teo amin'ny fanompoam-pivavahana tao amin'ny fitoerana masina, ao amin'ny TT, dia nanondro fa tsy nisy afa-tsy lalana iray ihany no ahazoan'ny olombelona mankeo anatrehan'Andriamanitra, dia ny ran'i Kristy. (Jereo ny Lev. 16:2,14, ohatra.)

Vakio ny Isa. 6:1-5 sy ny Apôk. 4:7-11. Inona avy ny singa mampitovy ireo fahitana roa ireo? Diniho ny filaharan'ireo tranga miseho ao: Inona ny lohahevitra aseho voalohany? Inona no manaraka azy? Inona ny fahamarinana momba an'Andriamanitra asongadina ao amin'ireo fahitana ireo?

Amin'ny fahitana tsirairay, ny zava-miseho voalohany dia ny fanantitranteran'ireo anjely any an-danitra ny fahamasinan'Andriamanitra. Manaitra ny toe-javatra ao amin'ny fahitan'i Isaia: feno setroka ny tempoly ary mihorohoro ny "fanambanin'ny tokonana" rehefa manambara ny fahamasinan Andriamanitra ny serafima. Mitovy amin'izany koa ny fanambarana ataon'ireo kerobima ao amin'ny fahitan'i Jaona: "Masina, masina, masina." (Jereo ny Ezek. 10:14,15 mba hahitana ny mombamomba ireo zava-manana aina antsoina hoe kerobima). Samy nanehoana ny fanetriketriky ny voninahitr Andriamanitra ny mpaminany tsirairay.

Avy eo dia aseho antsika ny fihetsiky ny mpaminany manoloana izany. "Lozako! maty aho! fa lehilahy maloto molotra" - Isa. 6:5 hoy i Isaia niantsoantso, ary i Jaona kosa nitomanin'alahelo satria hitany fa "tsy nisy hita miendrika hanokatra ny boky na hijery azy-Apôk. 5:4. Rehefa aseho mivantana antsika ny fahamendrehan'Andriamanitra, vao manomboka takatsika ny toerana misy ny olombelona: tsy mendrika velively isika, ary mila an'i Kristy ho Mpanavotra antsika.

Maro ireo fiampangana nataon'i Satana tamin'Andriamanitra; nolazainy fa mizaha tavan'olona, tia tena, ary masiaka Izy. Kanefa ny fahitana ny seza fiandrianan Andriamanitra, na ao anatin'ny fotoana fohy monja aza, dia mampiharihary ny laingan'i Satana. Ny fahitantsika an'i Kristy amin'ny maha-Izy Azy marina, dia llay "Zanak'ondry, Izay novonoina" - Apôk. 5:12, no ahafahantsika mahita ny Ray amin'ny maha-lzy Azy marina. Mampahery ny mahafantatra fa izay mahita an'i Jesôsy dia mahita ny Ray (Jao. 14:9). Ary i Jesôsy maty teo amin'ny hazo fijaliana ho antsika no fanambarana miezinezina indrindra momba ny toetra aman'endriky ny Ray.

Koa zavatra roa loha no tokony ambaran'ny hazo fijaliana amintsika: voalohany, ny halehiben'ny fitiavan'Andriamanitra antsika ka namoizany ny ainy toy izany, ho antsika; ary faharoa, ny haratsin'ny fahotantsika sy ny fahalavoantsika, hany ka tsy nisy nahazoana namonjena antsika afa-tsy ny hazo fijaliana.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal